Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Jolay, 2012

Maoritania: Kolontsaina Manan-karena Lalao, Dihy ary Mozika

Maoritania dia mitoetra amin'ny toerana ifanenan'ny kolontsaina Arabo sy Afrikàna; izy no mampifandray ireo firenena any Avaratra sy Andrefan'i Afrika. Nanome azy toetra manokana izany, Hita mibaribary izany amin'ny fomban-drazana ao Maoritania manan-karen-dalao, dihy ary mozika. Ato amin'ity lahatsoratra ity dia omenay ohatra vitsivitsy ianao.

Venezoela, Japana: Mpitendry Japoney Roa Mahafehy Ny “Harpe” Venezoeliana

Amin'ireo mpanao mozika Japoney liana amin'ny mozika Venezoeliana, Yoko Yoshizawa sy Mika no miavaka amin'ny fitendrena ny "harpe" Venezoeliana.

Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué

Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny fampisehoana  noho ny fitafian'i Madonna sy ny lohahevitra ataony mirona amin'ny fanintonan'ny nofo Miatrika fanoherana avy amin'ny antokon'olona mpandala ny...

Pakistana: Iza No Namono An'i Ghazala Javed, ilay Mpihira Teratany Pakistane Fanta-daza?

Nisy nitifitra tao an-tananan'i Peshwar i Ghazala Jawad, mpihira fanta-daza iray teratany Pakistane. Tsy fantatra mihitsy ny mombamomba ilay namono azy. Mety famonoana vokatry ny fahafaham-barakan'ny vadiny taloha ve izy io, noho izy tsy mankasitra azy hihira? Sa ve ny Talibana no nanao izany, noho izy nanohitra azy ireo hatrany...