· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Avrily, 2012

Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany

  10 Avrily 2012

Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.

Fifaninanana Lahatsary Firefox Flicks

  09 Avrily 2012

Ny fifaninana manerantany Firefox Flicks dia hanome loka ho an'izay lahatsary fampianarana fohy ho an'ny mpiserasera mikasika ny olana momba ny fiainan'olona manokana, ny safidy, ny kirakira afa-mifampiditra sy ny fanararaotra amin'ny aterineto, ary koa ny fomba ahafahan’ ny Firefox hanampy ny olona hiatrika ireo lohahevitra ireo. Efa be ny lahatsary nivoaka...