India: Fanehoana Fanohanana ny Fiarahamonin'ny “Gay” Taorian'ny Fampisehoana Lahatsary

Voaporofo tany Raipur ny herin'ny lahatsarin'ny olom-pirenena handrisihana ny fanovàna. Ny fampisehoana lahatsary iray mampiseho ny fahasarotana iainan'ny vondrom-piarahamonin'ny “gay” (lehilahy migfanambady) dia nahafahan'ireo mpijery avy amin'ny sehatra samihafa niresaka momba ny fanavakavahana sy naneho ny fanohanany tamin'ny fikarakarana hetsika am-pilaminana.

Sarwat Naqvi, olon-tsotra mpanao gazety ao amin'ny Video Volunteer sy India Unheard dia nampiseho tany Raipur ny lahatsariny farany momba ny fikarohana ny maha-izy ny olona any amin'ny fiarahamonin'ny “gay” any Chhattisgarh. Izany lahatsary  izany dia mampiseho fa ny fanavanakavahana, ny fanararaotana ara-nofo sy ny tsy fahampian'ny maha-izy azy ny tena dia anisan'ireo olana sedrain'ny “gay” sy ny “eunuques” (olona novosirina) izay heverin'ny sasany ho karazan'olona fahatelo any India.

Nikarakara ny fampisehoana i Sarwat niaraka tamin'ny Fiombonan'ny Vehivavy ao an-toerana,  Samata Mayla Mandal ary olona 45 no tonga, anisan'izany ny “gay” sy ny “transexuel”, ary koa ny olona tany an-toerana izay liana fotsiny.

Tsara ny vokatra: nahafantatra momba ny olana atrehan'ity vondrona tsy hitan'ny olona ity ny fiarahamonina ary nandray andraikitra, ary ny “gay” nijery ilay lahatsary kosa dia namporisihina handray anjara amin'ny ezaka fitakiana ny zony sy ny fiasàna amin'ny fiarahamonina miray hina kokoa.

IndiaUnheard dia tetikasa famatsiam-baovaon'ny fiarahamonina an'ny Video Volunteers izay hanofanana ny tambajotrana solotena eny amin'ny fiarahamonina hizara ny tantara momba ny fiarahamoniny, izay matetika tsy voatantaran'ny fampielezam-baovao hafa.

Mpifandray amin'ny fiaraha-monina ao amin'ny India Unheard. Sary avy amin'ny Flickr Video Volunteers(VV) (CC BY-SA 2.0).

SaryAttributionShare Alike Zo sasany voaaro avy amin'ny Video Volunteers(VV)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.