Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Desambra, 2016
Ghana: Masoivohon'i Etazonia Sandoka Ao Accra Namoaka Visa Azo Tamim-Pitaka
Niasa nandritra ny folo taona tao Accra, renivohitr'i Ghana, firenena iray ao Afrika andrefana ny Masoivohon'i Etazonia sandoka. Natsangana sy tarihin'ny tambajotran'jiolahy ahitana Ghaneana sy Tiorka izy io ary mamoaka visa sy antontan-taratasy Amerikana hafa tena izy.
Miady Hevitra Momba Ny Hoavin'ny Fikatrohana Nomerika Ireo Mpisera Mozambikana
Nivory tao Maputo ireo bilaogera, mpanao gazety, mpikatroka nomerika mba hizara hevitra momba ny fampitam-baovao Mozambikana ary hanangana fiaraha-miasa vaovao ao amin'ny fihaonambe nokarakarain'ny Deutsche Welle (DW).
Voahontsakontsana i Trinidad & Tobago—sy Voaharoharon'—ny Horohorontany
Ny folakandron'ny 6 Desambra 2016, niaina horohorontany mahery vaika, voalaza fa amin'ny maridrefy 5,8 i Trinidad sy Tobago. Naharitra iray minitra, hoy ny tatitra sasany, noheverinta fa ambony noho ny 6,2 ny horohorontany tany am-boalohany.
Ny Ohatra Fakan-tàhaky Ny Fanampiana Ara-Pahasalamana Nataon'i Kiobà Faha-Fidel Castro Ho An'ny Firenena Afrikàna
Lavitry ny kabary politika, ny fahafahan'ny isambatan'olona ary n y zon'olombelona, tao anatin'ny sehatry ny fifanohanana sy ny fanofànana, indrindra fa ny ara-pahasalamàna, no nivoatra ny fifandraisan'i Kiobà sy ireo firenena Afrikàna, nandritry ny tantara kiobàna teo ambany fitarihan'i Fidel Castro.
Mpialokaloka ao Etazonia Mamelona Hira Nentin-drazana Amin'ny Alalan'ny Hiran'Ankizy
Nanonofy hevitra ny mpihiram-bahoaka ao amin'ny Mozea ara-java-kanto iray ao Erie ao amin'ny fanjakana Amerikana, Pennsylvania: manampy ny mpitady fialokalofana hahazo asa sady miara-miasa amin'izy ireo mba hitahiry ny hiran'izy ireo.
Mpianatra Rosiana Mamorona Fitenin-dRindranasa Teniratsy Ranoiray Hampianarana ireo Tanora Namany Manana Diplaoma
Nanangana tenin-drindranasa mampiasa ny fiteny "gopnik" manokana ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojiam-baovao St. Petersburg.
Nahazo Sazy 10 Taona An-tranomaizina Tsirairay Avy Ireo Tanora Roa Mpikatroka Nanao Graffiti Tamin'ny Sarivongan'ny Patriarkan'i Azerbaijan
" Tsy tiako ny ho tsarovana amin'ny fialan-tsiny amin'ny teniko farany .Tsy manaiky ny fanagadrana ahy aho. Mankafy ny fahafahana aho."
Fanentanana Hanao Ady Anaty Akata Mitondra Hafanana Manerana ny Fanjakàna Mitambatra (UK), Karatra Ho an'ny Toerana Iray isaky ny Mandeha
"Ilaintsika ny mandefa fampahatsiahivana ara-potoana hoe ... mba hananganana hoavy mendrika kokoa iarahantsika tsirairay avy dia mila tsapantsika ny hoe "mpirahalahy mian'ala""
Haingana be Ny Firaisankina Nasehon'ny Bolgara Taorian'ilay Lozam-Piarandalamby tao Hitrino
Fito raha kely indrindra no maty tamin'ny fipoahana taorian'ny lozam-piarandalamby tany amin'ny iray amin'ireo faritra mahandra indrindra ao Bolgaria
Qurutob-n'i Tajikistan: ‘Sakafo Ho An'ny Mahantra'?
" Ny fiakaran'ny qurutobkhonas dia midika ho fanindrian'ny kolontsaina avy any ambanivohitra ny kolontsaina an-drenivohitra ary araka izany dia mariky ny fijotsoana izany."