Mpianatra Rosiana Mamorona Fitenin-dRindranasa Teniratsy Ranoiray Hampianarana ireo Tanora Namany Manana Diplaoma

Source: Yopta.script

Sary: Yopta.script

Tamin'ny 5 Desambra, nanatontosa fitenin-drindranasa mpaka tahaka ho an'ireo mpianatra informatika “taratry ny fiainana maoderina” mitolona amin'ny fitenin-drindranasa mahazatra tahaka ny JavaScript sy ny C++ ny vondrona mpianatra ao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojiam-baovao ao Saint Petersburg. Araka ny tatitra avy amin'ny vohikalam-baovao TJournal, nahatontosa ny hevitra “YoptaScript,” izay mifanaraka amin'ny tenin-jatovo Rosiana mba ho mora kokoa ho an'ireo mpianatra nianatra teny an-dalambe ny hahatakatra azy i Semyon Gozman, Mikhail Belozerskiy ary i Georgiy Mkhitaryan rehefa nahatsikaritra izy ireo fa maro amin'ireo namana mitovy azy ireo no tsy nianatra na dia fitenin-drindranasa tokana aza tamin'ny fotoana nahazoan'izy ireo diplaoma. Nilaza tamin'ny TJournal i Gozman fa ny ankamaroan'ny mpiara-mianatra taminy dia azo lazaina ho “chotkiye patsany,” fehezan-teny manokana azo adika hoe “ankizy mahay eny an-dalambe,” ary “gopniki” mihitsy aza ny sasany, na “jiolahim-boto” an-tanandehibe izay malaza amin'ny fitenenan-dratsy.

Ny YoptaScript dia nadika tamin'ny JavaScript manolo ny rakibolana, fomba ary kasinga JavaScript amin'ny fiteny mety ho fampiasan'ny “gopniki” – ary tsy lazaina intsony fa maro amin'ireo teny ireo no tenim-boto. Ohatra, amin'ny YoptaScript, ny “if… else” [raha … hafa] dia nosoloina “вилкойвглаз … иливжопураз,” fomba fiteny mamaritra safidy sarotra izay adika mivantana hoe “fitrebika eo amin'ny maso … na ao amin'ny vody.” Raha mampiasa teboka amam-paingo ny JavaScript mba hanasarahana filazana, amin'ny YoptaScript kosa dia zarain'ny “нах,” fanafohezana ny hoe “l**eo izany,” izay zary mahazatra amantarana ny gopniki ny fampiasana izany teny izany isaky ny fehezanteny.

Navoitran'ireo mpamorona ny YoptaScript fa mety amin'ny fitenim-paritra isan-karany eny an-dalambe ilay fitenin-drindranasa: ==” (mira), ohatra, dia azo soloina amin'ny “ровно” ( “tena izy”) na “однахуйня” ( “mitovy t**” ). Ny antsipirihany momba ny YoptaScript dia hita ao amin'ny pejy GitHub-n'ny tetikasa

Na dia namorona ny YoptaScript aza i Gozman, Belozerskiy ary i Mkhitaryan, dia nahasarika ny sain'ny fampahalalam-baovao manerana ny firenena izany tetikasa izany ankehitriny, ahitana olona fito ny tetikasa amin'izao fotoana izao. Nahomby tamin'ny fomba tsy nampoizina hatramin'izao ny “Yopta,” teniratsim-pahatairana fampiasan'ny gopniki: fa efa nahazo mpitsidika 120.000 hatramin'ny nanombohany ka hatramin'ny 9 Desambra teo ny tranonkalan'ny fitenin-drindranasa Yopta.Space..

Nilaza tamin'ny mpanao gazety i Gozman hoe:

Основные сложности, которые возникли — это раздуть словарный запас наших «эллочек-людоедочек» до 600+ выражений. На этом мы недели две ломали головы, так как всю эту похабщину нужно было сделать чуть более логичной. Это правда было ужасно, потому что никто из нашей команды не переваривал столь крепкие выражения в повсеместном употреблении.

Ny tena olana natrehinay dia ny fanitarana ny voambolan'i “Ellochka-lyudoyedkas” [Ellochka-lyudoyedka dia tarehin-tsoratra llf malaza sy avy amin'ny tantara manesoeson'i Petrov mitondra ny lohateny hoe 2 Chairs (Seza 12) izay nampiasa teny 30 monja hanehoany ny heviny – GlobalVoices] hanana fombaa fiteny + 600. Nila tapa-bolana teo ho eo izahay handrafetana tsara kokoa ity fitenin-drindran'asa be teniratsy ity. Tena mahatsiravina izany, satria tsy misy ao amin'ny ekipanay na dia iray aza mahazaka ilay karazan-teny eo amin'ny fiainana andavanandro.

Na dia manizingizina aza i Gozman fa tsy miezaka hananihany na iza na iza ny ekipany ary tena fanabeazana fotsiny ilay tetikasa, dia mazava tsara fa hala-tahaka mampihomehy izany. Ary hita ho tia vazivazy i Gozman: ankoatra ny filazana maha-pastafariana azy, dia hita nanao satroka ba misy sary Peppa Pig izy amin'ny sary tsirairay tao amin'ny pejiny Vkontakte.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.