Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2012
Tonizia: Hasosoran'ireo LGBT Tamin'ny Fanehoan-kevitry Ny Minisitra Momba ny Zon'Olombelona
Nilaza ny Minisitry ny Zon'Olombelona Toniziana tao aminà fantsom-pahitalavitra Toniziana tsy miankina iray fa misy fetra ny fahalalahana maneho hevitra nony ireo Toniziana sampontsampona no tonga haneho ny heviny manokana. Nampitahainy ihany koa amin'ny resaka aretin-tsaina sy filan-dratsy ny maha-"homosexeuls". Mamaly izany ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBT.
Syria: Hatairana Sy Tsi-Finoana Manoloana Ny Fahafatesana Mpanao Gazety
Tsy maintsy niahotra kely androany [omaly] ny mpisera mitatitra isan'andro amin'ny tambajotra an-tserasera ny fandripahan'olona any Syria isaonana ny fahafatesan'ny mpanao gazety nahafoy ny ainy handeha ho any Syria ka hilaza amin'izao tontolo izao ny fahorian'ny Syriana.
Tonizia: Nofoanan'ny Fitsarana Ny Didy Hanivana Ny Porno
Notsipahan'ny Fitsarana Tampony tao Tunis omaly ny Didim-pitsarana hanivana ny pôrnô amin'ny aterineto. Namoaka didy tamin'ny Sampandraharaha Toniziana misahana ny Aterineto (ATI) ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny 26 Mey 2011 hanivana ny vohikala voasokajy ho X. Nohamafisin'ny Fitsarana Ambony izany tamin'ny 15 Aogositra 2011. Noarahabain'ny mpiserasera manohana ny fahafahan'ny aterineto tanteraka ny didim-pitsarana nivoaka omaly
Espaina: Herisetran'ny Polisy Manoloana Ny Mpianatra Ao Valencia
Nanao hetsim-panoherana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa IES (Instituto de Educación Secundaria) Luis Vives ao Valencia (#IESLluisVives) noho ny fampihenana ny fandaniana hampiharin'ny Minisitera ny fampianarana, satria voatery hitondra bodofotsy...
Tonizia: Taona Iray Taorian'ny Revolisiona, Mbola Mitohy Ny Teritery Atao Amin'ny Fahalalahana Maneho Hevitra
Taona iray taorian’ny nanonganana ilay filoha teo aloha, mbola tandindonin-doza hatrany ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety ao Tonizia. Tamin'ity herinandro ity, lehilahy telo mpanao gazety avy amin'ny famoahan-gazety Toniziana "Ettounisia" no samy nosamborina noho ny namoahany sary nahabe resaka mikasika toniziana iray mpilalao baolina kitra ao amin’ny Real Madrid, Sami Kedira sy ilay lasibika Lena Gercke miboridana..
Ny Fiara Kodiaran-telon'i Azia Atsimo Atsinanana
Tuktuk, Beca, Kuliglig, Trishaw, Pedicab, Becak, Tricycle. Ireo no kodiaran-telo malaza be mpanana any amin'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Hita eny an-dalan'ny tanandehibe izy ireny, saingy miezaka ny handrara ireny posisposy hita na aiza na aiza sy efa entin'ny motera mitatitra olona ireny ny governemanta maro.
Espaina: “Manana Fitadidiana Izahay, Mila Ny Rariny Izahay”
Mpitsara manana ny lazany ao Espaina, Baltasar Garzón, no voampanga ary voarara tsy hanao ny asany mandritra ny 11 taona noho ny fanomezany baiko ny fametrahana tsy ara-dalàna fitaovam-pandraisam-peo tao am-ponja mba...
Syria: AFAKA i Razan Ghazzawi Sy Ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

Ilay Siriana bilaogera sady mpiaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra, Razan Ghazzawi, izay voasambotra fanindroany indray tany ampiandohan'ity herinandro ity , dia nafahana ny Sabotsy teo niaraka tamin'irei vehivavy mpiara-miasa aminy. Ireo lehilahy mpiara-miasa aminy ao amin'ny Birao Foibe Siriana Ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra ao Damaskaosy dia samy mbola voatana any am-ponja avokoa.
Shina: Mitohy Ny Fifidianana Ao Wukan Ary Mampangetaheta
Haingana be ny fikisahan'i Wukan tamin'ny fizorany ho any aminà fifidianana tsy mitanila sy mangarahara, nahatonga aingam-panahy ho an'ireo vohitra sasany tao amin'ny firenena no sady nahazo ny fanohanan'ireo mpampiasa bilaogy kiritika hatrany an-dalantsaran'ny anjerimanontolo. Na izany aza, raha kely indrindra dia iray amin'ireo mpiasa ambony ao amin'ny governemanta foibe no nanakiana ny fivoarana demaokratika avy aminà fikorontanan-tsaina.
Sahel: Manamafy ny Vahohony Any Amin'ny Faritra Ny Boko Haram Sy Ny AQMI
Am-bolana maro izao ireo silamo "intégristes" ara-pivavahana (mpifikitra amin'ny fomba nahazatra hatrizay) no nanamafy ny adin'izy ireo amin'ny mponina sy ny repoblika federaly ao Nizeria sady manandrana manitatra ny faritra iasan'izy ireo mankany amin'ireo firenena hafa any Sahel. Miteraka fandalinana ireny fanafihana ireny, sy fijerena akaiky ary fanehoan-kevitra eny anivon'ny tontolon'ny bilaogy hatrany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina.