Nanao hetsim-panoherana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa IES (Instituto de Educación Secundaria) Luis Vives ao Valencia (#IESLluisVives) noho ny fampihenana ny fandaniana hampiharin'ny Minisitera ny fampianarana, satria voatery hitondra bodofotsy ao an-tsekoly izy ireo noho ny tsy fisian'ny hafanana na ny fahatapahan'ny milina famanàna. Araka izany, maro ireo trangana fifanandrinana niseho tao an-tsekoly noho ny fanafihana tsy amin'ny antony nataon'ny polisy nahazo baiko avy amin'ny Solontenan'ny Governemanta Paula Sánchez de León, ary niafara tamin'ny fampidirana am-ponja mpianatra folo izany.
Ireto ambany ireto andian-dahatsary mikasika ny fifandonanana mahatsiravina niseho, nivezivezy nanerana ny tambajotra an-tserasera ny lahatsary. Ny gazety an-tserasera sy ny valantserasera indray tamin'ity indray mitoraka ity no sehatra nifampizarana vaovao, sy nahafahana niadian-kevitra.
@15MayoValencia: #nofuisteniño si la policía te sacó de la inocencia a base de porra y pelotas de goma. Vergüenza #IESLluisVives valencia.democraciarealya.es/post/177037460…
(Nikone Le Fou) @NikoneCons: Policía golpeando a muchach@s de 12 a 16 años en Valencia ¡Difúndelo! #IESLluisVives
http://www.youtube.com/watch?v=R3OCv485vKM:
(David Rodrigo) @deivid87vlc: La diputada @monicaoltra también ha sido golpeada cuando se presento en la comisaria a preguntar por los 6 detenidos
#IESLluisvives
http://www.youtube.com/watch?v=FO9XPaaqbGw
(Miguel Ángel Medina) @locodelpelorojo: Más de 5.000 personas piden en @actuable que el Sindic de Greuges investigue la carga policial en #IESLluisVives eskup.elpais.com/1329472559-838…
Maro ireo sary azonao jerena eto.
Periodismo Humano nanantotosa fitantarana mivantana, azonao jerena eto.