Shina: Mitohy Ny Fifidianana Ao Wukan Ary Mampangetaheta

Ireo mponina ao an-tananan'i Guangdong ao Wukan, izay nitarika fihetsiketsehana tamin'ny taona lasa hanoherana ireo manampahefana ao an-toerana noho ny fangalàna ny tany famokaran-dry zareo sy ny kolikoly, dia nandray dingana iray fanalahidy mankamin'ny demaokrasia tany ampiandohan'ity volana ity niaraka tamin'ny fifidianana malalaka ireo izay ho mpitondra ny tananan-dry zareo.

Maherin'ny  6.000 ireo mponina ao Wukan no nandeha nifidy tamin'ny fifidianana natao ny 11 Febroary an'ireo izay ho solontena vavaon'ny tananany,  dingana faharoa amin'ireo telo izay efa nanomboka ny 1 Febroary niaraka tamin'ny nifidianana izay ho ao amin'ny komity tsy miankina hanara-maso  ny fifidianana. Ny dingana fahatelo, hatao ny 1 Martsa, dia hifidianana izay ho komity vaovaon'ny vohitra izay hitoetra eo ambany fanaraha-mason'ireo solotenam-bahoaka 107 lany tamin'ny dingana faharoa, ka ao anatin'izany ny zanakavavin'ilay solontenan'ny vohitra teo aloha efa nodimandry, Xue Jinbo.

Xiong Wei, mpanangana ny Beijing New Enlightenment Research Centre sy mpikaroka iray avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking, dia nanazava ilay fifidianana ao amin'ny Sina Weibo:

乌坎11日将以村民会议的形式,以村民小组为单位一人一票选举村民代表,由村民代表组成村民代表会议,是乌坎村的权力机构。

Ny 11 Febroary, nifamory hanangana vondron'olona ireo mponina tao am-bohitra ka ireo vondrona tsirairay dia nifidy ny solotenan-dry zareo tamin'ny fomba hoe ‘olona iray, vato iray’. Ireo solotenam-bondrona avy eo no mitambatra ho komity solotenan'ny vohitra, izay hanjary ho manampahefan'ny tananan'i Wukan.

乌坎,正在探索村民自治新路,建立权力互相制衡的村民自治新机制。村民代表会议是决策和监督机构,村委会是执行和小决策机构。

Wukan dia mbola an-dalam-pikarohana hatrany izay ho lasitry ny fizakantenany sy mametraka ny fahefana vaovao mba ho tsindrin'entam-pahefan'ireo tompon'andraikitra vaovaon'ny tanàna. Mitana ny toeran'ny sehatra fanapahan-kevitra ireo solontenan'ny vohitra sady manara-maso ny rafitra, raha ireo komitin'ny vohitra kosa indray dia sehatra mpanatanteraka izay zara raha manana ny holazainy amin'ny fanapahana hevitra.

Andian-taranaka demaokratika vaovao ao Shina

Io andrana fifidianana miainga avy any ifotony io no nanjary mari-pamantarana manan-danja anehoana karazana demaokrasia vaovao iray ao Shina, izay antsoin'ny maro mihitsy aza hoe hetsiky ny demaokrasia vaovao avy eny ambanivohitra. Mpanara-maso iray ny fifidianana ao Wukan no nandrakitra fomba fisaina vitsivitsy ao amin'ny bilaoginy, avy amin'i Lin Zulian, mpandrindra iray ao an-toerana sady solotenan'ny vohitra vao voafidy teo :

村民林边说,这次选举是四十年来第一次,过去乌坎从来就没有真正选举过,都是上级说了算,村民对选举很陌生,这回有关选举知识海报贴满了全村,就是要民众知道选举程序。

Ity no fifidianana voalohany indrindra tato anatin'ny 40 taona. Fahiny, tsy mbola nisy mihitsy tena fifidianana izany tao Wukan ; notendren'ireo mpitarika Antoko hatrany izay ho solontenan'ny vohitra. Ho an'ny mponina, tena zava-baovao sy tsy mahazatra ny fifidianana. Amin'ity indray mitoraka ity, mahita afisy lehibe momba ny fifidianana miparitaka manerana ny tanàna isika; io no ahafahan'ireo mponina mahatakatra marina mikasika ny hoe inona ny fifidianana ary ahoana ny dingam-pifidianana tokony harahana.

Ireo manampahaizana fanta-bahoaka koa dia nanoritra ny dingam-pifidianana ao Wukan ho zava-baovao any Shina. Ilay mpanolotra fandaharana fanta-daza, Yuan Weidong, dia nanoratra hoe :

今天终于传来好消息,村民们靠公正、透明的选举,选出了村选举委员会的11名成员,这个意义在中国的乡村、乃至在全中国来说是划时代的,因为选举的程序的公正、公平、透明,是选举的关键, 今天广东的乌坎村将政治变革再度改变中国。

Nifidy ireo mpikambana 11 vaovao ao amin'ny komitim-pifidianana ireo mponin'i Wukan, tao anaty rafitra fifidianana tsy mitanila, mangarahara. Andian-taranaka demaokratika iray vaovao any amin'ireo vohitra Sinoa sy manerana ireo tanan-dehibe any Shina io. Ny tsy fitanilàna sy ny fangaraharàna no soatovina fototra anatinà fifidianana iray. Ny fiovàna ara-politika androany ao Wukan no hanova an'i Shina amin'ny hoavy.

Ireo olan'ny fifidianana tany aloha

Yuan koa dia mamintina ireo olana fototra telo lehibe izay nisy tamin'ireo fifidianana tao Shina nandritra ny taompolo maro :

归其原因有三:一、“上级”越俎代庖,本是村民自己的事情,上级却要乱插手,违规安排自己的人;二、“上级”认为村民素质低,不适宜民主选举,岂不知民主本身是最简单的东西,它同仁的生命一样是与生俱来的;三、怕基层不听话,一些政策无法落实。

Voalohany, ireo mpitarika ny antoko kaomionista dia manakorontana sy manodinkodina foana ny fifidianana tsirairay. Faharoa, ireo mpitarika ireo ihany no mbola mihevitra fa tsy manam-pahalalàna ireo mponina no sady tsy mendrika ny hifidy ny solotenany, amin'ny filazàna fa tsy mifandanja amin'ireo vohitra any Shina izany rafi-pifidianana demaokratika izany. Fahatelo, ireo mpitarika antoko dia manahy fandrao ho saro-pehezina ireo mponina, hahatonga fahasarotan'ny fampiharana ny sasantsasany amin'ny politikany.

Tao amin'ny Sina Weibo, Zhen Puhong, mpampiasa aterineto, dia nanontany raha tena manan-danja araka ny iheveran'ny maro azy tokoa ny fifidianana ao Wukan.

【乌坎选举的实质意义有多大?】1、中国村级选举从村民组织法的角度看本来就是自主自治的,关键是被党机构(乡镇)党官(村支书)控制甚至用黑手把持候选人;2、村务实际上书记说了算,村长通常要么无权要么同流合污;3、乌坎选举中似依然是党支部决定并发布选举事宜见下图,选委会有多大作用?

Raha araka ny lalàna Fandaminana ny vohitra, ireo fifidianana atao isam-bohitra any Shina dia tokony ho tantanany manokana sy hanana ny fahaleovantenany. Ny olana fototra dia hoe ireo mpirotsaka dia voaara-mason'ireo mpitarika antoko; mampiasa fomba tsy araka ny lalàna mihitsy aza ry zareo mba hanodinkodinana ny fifidianana. Faharoa, ireo raharaha isam-bohitra dia tantanina araka ny torolalan'ny sekreteran'ny fitantanana isam-bohitra, midika hoe ireo solotenan'ny tanàna dia, na tsy manana fahefana, na manjary mpiray tsikombakomba aminà kolikoly. Fahatelo, ao anatin'ny fifidianana ao Wukan, tahaka ny mbola mitana anjara toerana lehibe ny antoko amin'ny fametrahana ny tetiandrom-pifidianana. Ka ahoana araka izany no hanaporofoana fa manan-danja ity fifidianana ity?

Avy amin'ireo fanamarihana ao amin'ny lahatsoratr'i Zhen, ireo mpampiasa aterineto sasany dia nanoratra hoe :

为人民币服务GOV:回复@清心9901:没有其他意思,我觉得什么叫村民自治,就应该脱离党的控制,因为不是你选的。否则,即使村长选了,还是没有实权,最后权力架空,选举就没有意义。 (2月9日 15:19)

Ny dikan'ny hoe fitantanana miahy tena dia tokony tsy hofehimpehezin'ny antoko ireo mponina eo am-bohitra. Raha tsy izany, na dia ohatra aza hoe voafidy izay solotenan'ny vohitra, dia tsy hanana fahefana izy, hahatonga ny fifidianana ho zavatra tsy ilaina akory.

疯头总动员://@新启蒙熊伟: 是的,我和林先生经常讨论的就是权力互相制问题。 //@博格郑甫弘:民主选举中程序正义至关重要。领袖很重要,但民主保障的关键是不能让个人超越体制程序。有林祖銮乌坎村民是幸运的,换了人呢?

Mandritra ny fifidianana demaokratika iray, zavatra mavesa-danja ny dingana tsy mitanila. Mavesa-danja ihany koa ny fahaiza-mitarika , na eo aza izany, mba hiantohana ny demaokrasia; ny singa tena mamaritra azy dia ny fibahanana na iza na iza tsy hanitsakitsaka ny dingana ara-pitantanana.

Ny tandindon'i Wukan any Zhejiang

Wukan, navela hifidy ireo mpitarika azy, dia efa mety hanana sahady ny dindony amin'ny fankaherezana ireo vohitra hafa any atsimo mba haka tàhaka ny lasitra Wukan.

Ao amin'ny faritanin'i  Zhejiang, na ireo mponina any atsinanana, na ny avy any andrefana any amin'ny vohitr'i Panhe ao an-tananan'i Wenzhou dia samy naka aim-panahy avy amin'ny fitroarana tao Wukan avokoa ka lasa ho ny vohitra faharoa tonga tamin'ny fanesorana ny manampahefana tao an-toerana. Ireo mponiina 5.000 avy ao Panhe dia nanao nihetsika hanohitra ny fakàna tsy ara-dalàna ny tany nanomboka tamin'ny 1 Febroary taorian'ny famarotàna ‘ara-dalàna’ nataon'ny governemanta, tsy nisy fampilazana mialoha, ny ampahany amin'ny tanin-dry zareo. Araka ny tatitra, ireo tany famokarana rehetra namidin'ny solotenan'ny vohitr'i Panhe hatramin'ny 2006 dia tsy nisy fanonerana na kely aza ho an'ireo tantsaha sy mponina teo am-bohitra tokony hanan-jo amin'izany.

Avy amin'ireo dinidinika momba an'i Panhe ao amin'ny Sina Weibo:

@城市农民70000:乌坎模式影响下,浙江苍南县泮河村的村民自治随之而来,这预示着一种国际大环境下的趋势在我国不可阻挡。

Naka ohatra tamin'ny Lasitra Wukan, dia miàla any ny fitantanana mahaleotenan'ny vohitr'i Panhe. Efa tsinjo sy tsy azo ihodivirana io fironana manerantany io eto amin'ny firenentsika.

@金鹰03:广东烏坎村的问题刚解决,浙江又一个乌坎–泮河村又爆出问题,不少地方矛盾尖锐。

Koa satria nahavita namaha samy irery ny olana momba ny taniny ny vohitr'i Wukan ao Guangdong, ankehitriny ao Zhejiang, Wukan iray hafa— vohitr'i Panhe— no nipoaka koa. Be izao ireo fifandirana sy olana  anatiny.

Betsaka hetsi-panoherana mitranga ao Shina isan'andro.

Mba hanaovana indray mijery ny fomba fijery ofisialy an'ireo fivoarana demaokratika ireo, Niu Wenyuan ao amin'ny Filankevi-panjakana Sinoa,  dia nambara ho nilaza tanaty seminary iray natao tao Guangzhou tany ampiandohan'ity volana ity hoe :

【国务院参事牛文元:中国去年日均发生五百起群体事件】 http://t.cn/zOZ7Hbh “去年,广东发生了乌坎事件。实际上,2011年,中国平均每天发生500起群体性事件,这意味着,现今社会容易失序,民众心理容易失调”国务院参事牛文元在给干部讲座时,直言不讳。

Tamin'ny 2011, 500 teo ho eo ny salanisan'ny “hetsika itambarambe” tahaka ny hetsi-panoherana, korontana sy savoritaka sosialy tao Sina isan'andro. Midika io fa mitontongana ny rindra sy ny fenitra sosialy
ary mora andairan'ny fanakorontanan-tsaina ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.