Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/2012.
Ilay Siriana bilaogera sady mpiaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra, Razan Ghazzawi, dia nafahana tamin'ny Sabotsy niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy. Ny vaovao dia avy amin'ny rahavavin'i Razan, izay nibitsika tamin'ny fiandohan'iny hariva iny :
@NadineGhazzawi: tafody an-trano ny rahavavy 🙂 saingy tsy mahazo mivoaka intsony ny fireneny…tsy avelan-dry zareo.

Saribe Afaho i Razan nampiasain'ireo mpanohana mba hangatahana ny famotsorana azy sy ireo mpiara-miasa aminy
Amin'ny fotoana anoratana ireto andalana ireto, ilay lehilahy mpiara-dia amin'i Razan dia mbola tavela any am-ponja, araka ny ambaran'ny pejy Facebook Free Razan :
AFAKA i Razan sy ireo vehivavy rehetra avy amin'ny SCM, AFAKA i Razan !
Razan dia voasambotra tany ampiandohan'ity herinandro ity niaraka tamin'ireo 13 mpiara-miasa aminy nandritra ny fanafihana tao amin'ny Biraon'ny Foibe Siriana Ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra tao Damaskaosy.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/2012.