Tonizia: Hasosoran'ireo LGBT Tamin'ny Fanehoan-kevitry Ny Minisitra Momba ny Zon'Olombelona

Olombelona aho, Atoa Minisitry ny Zon'Olombelona” no valintenin'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBT [Lesbiennes, Gays, Bisexuels sy Transgenres] taorian'ny fanambaràna manilikilika avy amin'ny Minisitry ny Zon'Olombelona Toniziana tao aminà fantsom-pahitalavitra Toniziana tsy miankina iray. Nilaza ilay minisitra fa misy fetra ny fahalalahana maneho hevitra nony ireo Toniziana sampontsampona no tonga haneho ny heviny manokana. Nampitahainy ihany koa amin'ny resaka aretin-tsaina sy filan-dratsy ny maha-“homosexeuls”.

Ny pejy Facebook an'ireo Toniziana LGBT ankehitriny dia mizara ity sary manaraka ity ho toy ny sary famantarana azy ireo. Ilay hetsika dia tolo-kevitra avy amin'ny pejy Facebook an'ilay Gazetiboky Gayday.

Tezitra ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBT ao Tonizia, taorian'ilay fanambaràn'ny minisitra. Tarek nanoratra tao amin'ny Gazetuboky Gayday [ar] hoe :

نعم، أنا المثلي… أنا المثلية
أنا الرجل يحب رجلا.. المرأة تحب مرأة
لكني أنا الإبن قرة عيني أبي الحنون، أنا البنت ملجئي عطر حضن أمي الدافئ
أنا التلميذ، العامل، العاطل، الطويل القصير… أنا الإنسان

Eny. Gay aho… Lesbienne aho
Izaho no ilay lehilahy mankafy lehilahy…ilay vehivavy tia vehivavy.
Ambonin'izany aza, izaho no ilay anakandriamason'ny mason'ny dadako. Izaho no ilay sipakely mahita fialofana mafàna eo an-dohaliky ny reniny. Izaho no ilay mpianatra, ilay mpiasa, ilay tsy an'asa, ranjanana, kapohy…Olombelona aho.

Nahazo tohana midadasika be ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBT hatramin'ny efa ho herinandro mahery nitondran'ilay minisitra izay fanamarihana izay. Angamba ny isan'ny tena misongadina amin'ireny dia ny fielezan'ilay sary etsy ambony nanerana ny Facebook sy Twitter. Na izany aza, ny fanohanana toy izany dia nametrahan'ny sasany tamin'ireo mpampiasa Facebook fanamby ihany koa, izy ireo izay milaza fa hoe tsy hitondra afa-tsy ny fanilihana bebe kokoa ny fitondràna ho eo anivon'ny resaka ny fangatahana fanohanana an'ireo LGBT ao Tonizia.

Ao amin'ny gazetiboky GayDay, ohatra, dia azonao atao ny mahita fanamarihana tahaka ity manaraka ity [fr]:

en critiquant Dilou pour ses pensées homophobes vous ne faites qu'augmenter sa côte auprès des tunisiens conservateurs qui lui donneront raison et le soutiendront encore plus!

Ny fanakianana an'i Dilou (ilay minisitra) noho ny fanambaràny feno fanilihana dia tsy manao afa-tsy ny mipasoka  ny lazany ho tsaratsara kokoa eny anivon'ireo Toniziana mpifikitra amin'ny nentin-drazana. Vao mainka hanohana azy bebe kokoa ry zareo ireo amin'izao.

Mpampiasa iray hafa ny Facebook no nangataka ireo “mpitia” ao amin'ilay pejy mba hanaiky ny safidy ara-pilan'ny nofon-dry zareo mba hahazoana fankatoavana ny fangatahana bebe kokoa ny zony. Voasoratra amin'ny tenim-paritra Arabo Toniziana ilay lahatsoratra ao amin'ilay rindrina.

Nn+ama bech ki taleb bses droit ytaleb elhaja mawjouda w fardha wjoudha w 3andeha brcha rwad

Raha mitaky ireo zonao ianao, dia tokony hijoro any, izany hoe, ireo Toniziana sampontsampona dia tokony hivoaka haneho amin'ny fiarahamonina hoe maro izy ireo ary misy maro manohana azy ireo amin'ny fitakiany.

Ny tontolon'ny fibitsihana dia tsy nitanila mihitsy mikasika ilay resaka ka na ireo sombin-dahatsoratra vitsivitsy navoaka mikasika azy io aza dia efa ho in-jato no nifampizarazaràna.

@lebanesegringo: @abuhatem izy tenany no ilay Minisitry ny Zon'Olombelona nanao fanambaràna tsy mandeha ilàlana. Ela no niandrasana ity adihevitra ity. #tunisia #lgbtme #lgbt

Mandritra izany fotoana izany, ireo pejy Facebook an'ny LGBT dia voafahana saripika sy lahatsary mba ho fanandratana ny fifandeferana eo amin'ny samy vahoaka Toniziana ary hanazavana fa ny ‘homosexualité’ dia toe-javatra voajanahary misy marina eo amin'ny fiainana isan'andron'ny zanak'olombelona.

Ity lahatsary ity, avy ao amin'ny YouTube, nomena ny lohateny hoe  ‘Sokafy amin'ireo Gays ny Fonareo’, dia efa maherin'ny in-60.000 no nisy nijery :

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=AJCHHy_PFak

Ny pejy Facebook fototra ho an-dry zareo Toniziana LGBT – Tunisia Gays (Pejy Ofisialy) dia manana ‘Tia’  manodidina ny 2.300 eo ho eo  amin'izao fotoana. Mavitrika ihany koa izy io ao amin'ny fampielezam-peo Tunisia Gays (Radio). Misy fandaharana mivantana isan'andro ary mahasahana lafin-javatra maro toy ny fironan'ny fiarahamonina  manoloana ny ‘homosexualité’, ireo vaovao momba ny Gay fanta-daza manerana ireo tontolo izao ary ireo vaovao mifandray amin'ny resaka Fitovian-jo maneran-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.