Tuktuk, Beca, Kuliglig, Trishaw, Pedicab, Becak, Tricycle. Ireo no kodiaran-telo malaza be mpanana any amin'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Hita eny an-dalan'ny tanandehibe izy ireny, saingy miezaka ny handrara ireny posisposy hita na aiza na aiza sy efa entin'ny motera mitatitra olona ireny ny governemanta maro.
Ho tonga any Eoropa tsy ho ela ny kojakoja fanolon'ny E-Tuktuks. Mandritra izany fotoana izany dia navoaka ho hitam-bahoaka any Philippines ny E-Trikes. Mampiasa ny vatoaratra lithiôma-iôna izay fampiasa mahazatra amin'ny solosaina finday sy ny finday ry zareo. Eto ambany ny E-Trike any an-tanànan'i Davao any atsimon'i Philippines izay ampariahana hampihenana ny fampiasana ny solika milevina:
Mitondra Beca na posiposy i Jan Shim rehefa mankany Penang, Malezia:
MARO ny fomba andehanana any Penang, ary ny iray mahaliana indrindra dia ny eny ambony kodiaran-telo. Fantatra any an-toerana ihany koa amin'ny anarana hoe beca na posiposy, io no fomba fitaterana mandritsorotsy ny mpandeha manavatsava an'i Penang. Any Malezia dia misolo toerana tsikelikely ny posiposy tarihin'ny mpandeha an-tongotra izay hita na taiza na taiza tany an-tanàndehibe nandritra ny taompolo 70 ny posy-bisikileta (beca amin'ny teny Malay). Nanjaka tokoa ny posy-bisikileta nandritra ny taompolo 70. Nanomboka hatreo, noho ny fitadiavana fitateram-bahoaka tsara kokoa dia nitsotsorika ny isan'ny posy-bisikileta. Ankehitriny dia ampiasaina ho fisintonana mpizahantany amin'ny ankapobeny ny posy-bisikileta, ka misy vitsivitsy miasa any Malacca, Penang, Kelantan ary Terengganu.
M-Explorer manoratra momba ny Pedicab Siantar, soavalivy fahagolan'ny tanànan'i Siantar any Indonezia. Mamelabelatra ny haibikan'ny predicab manavaka an'i Indonezia i Edwin. Mamela teny fohy i Enchanting Eden fa misolo fiara moderina kokoa ny Becaks:
Mihalany tamingana ny Becaks, fa voararan'ny fiadidiana ny tanàna maro manerana ny saikanosy izy ireny noho ny fahanterany sy ny tsy fanajana maha-olona aterany, ka soloina tsikelikely amina kinova mandeha motera mifanahatahaka amin'ny tuk -tuks avy any Thailandy. Mampihomehy ihany fa izay hita tany Indonezia, dia ampidirin'ireo firenena hafa manerana izao tontolo izao mpanandratra ny “miaro ny tontolo iainana”, indrindra fa ireo firenena andalampandrosoana, any aminy ny posiposy amin'ny endriny samihafa .