Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2023
Ao Nizera, mihoatra ny antsasa-manilan'ireo ankizy no tsy manana sora-piankohonana
Noho ny tsy fisian'ny sampan-draharaha mpirakitra fahaterahana eny ambanivohitra, efa ho ny antsasaky ny ankizy ao Nizera no tsy voasoratra eo am-pahaterahana
Tsy voamarika amin'ny asa fikarohana sy famonjena ao Tiorkia ireo mpamonjy voina manana tongotra efatra
Maro amin’ireo ekipan’ny iraka fikarohana sy fanavotana eny an-toerana no niantehitra tamin’ireo alikany mpanampy , izay niasa tsy an-kiato nandritra ny herinandro lasa.
Vétiver (maimbokely): Iray amin'ireo vahaolana ara-toetrandro atao tsirambina ao Trinidad & Tobago
Iray amin'ireo vahaolana lehibe indrindra, mora indrindra sy mitsinjo ny tontolo iainana indrindra manoloana 'ny tondra-drano, ny fihotsahan'ny tany, ny fanamafisana ny hantsana ary ny fifehezana ny fikoan-tany ny vetiver (maimbokely).
Anthony Joseph, Trinidadiana faharoa tao anatin'ny telo taona nahazo ny Lokan'ny tononkalo T.S. Eliot
Nantsoin'ireo mpitsara ny loka malaza hoe "mamirapiratra" ny angona nataon'i Joseph, ary nampiany fa "mankalaza ny maha-olombelona ao anatin'ny fifanoherana ao aminy rehetra ary manome aina vaovao amin'ity endrika maharitra ity."
[Kisary fanazavàna amin'ny teny malagasy] Topimason'ny rohivoarin'ny media ao Gran Chaco, Bolivia
Inona avy ireo fitantarana hita ao amin'ny fampahalalam-baovao momba ny fiovan'ny toetr'andro any amin'ny faritr'i Gran Chaco ao Bolivia? Nampiseho ireo fitantarana ankehitriny sy tsy ampy ao amin'ny resaka ny fandinihana ny tontolon'ny media.
Avy amin'ny embona mankany amin'ny fikitihana ‘tandroka,’ ahitana lahakira “super soca” ny Fetiben'i Trinidad & Tobago
Herinandro latsaka alohan'ny Fetiben'i Trinidad&Tobago, misarika fihetsehampo isankarazany ny hira famantarana ilay fetibe.
Miaraha amin'ny Global Voices ao amin'ny MozFest 2023!
Fantaro hoe rahoviana ary aiza no handray anjara amin'ny MozFest 2023 ho avy izao ny mpikambana ato amin'ny Global Voices, izay atao an-tserasera manomboka amin'ny 20-24 Martsa ho avy izao.
Melohin'ireo firenena Afrikana miteny paortiogey ny famelezana ny demaokrasia any Brezila
Rehefa avy niteny ireo mpitondra, dia nampitahain'ny olom-pirenena tamin'ny toe-draharaha ao amin'ny fireneny ny tany Brezila.
Tontolon'ny mozika Tôgôley miditra anaty fanatontoloana, nefa tsy manary ny fototra niaviany
Manankarena amin'ny fahasamihafàn'ny fiteny sy ny mozika i Tôgô, miditra amin'ny fanatontoloana ny mozikany izy, izay efa ekena eo amin'ny sehatra nasiônaly sy iraisampirenena
Manàla valo taona amin'ny fahelàna velona ao Bangladesh ny fahalotoana mampididoza eny amin'ny rivotra
Volana nahatsiravina ho an'ireo mponina ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh, iny Janoary iny, satria tena nampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra, nandritra ny sivy andro.