Avy amin'ny embona mankany amin'ny fikitihana ‘tandroka,’ ahitana lahakira “super soca” ny Fetiben'i Trinidad & Tobago

Bunji Garlin, trinibagôniàna mpiangaly mozika soca, nandritra ny OVO Fest 2017 tao amin'ny RBC Echo Beach, Toronto. Sary an'ny The Come Up Show ao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Rehefa voabahana nandritra ny taona roa tsy afaka nankalaza mivantana ilay Fetibe noho ny fisian'ny valanaretina COVID-19,  dia efa hatry ny ela ireo mpitia ny Fetiben'i Trinidad & Tobago no naminany fa hiezinezina ny Fetibe ho an'ny taona 2023. Ny mozika no singa iray tena manana ny lanjany hamaritra ny haavon'ny fahatsapan'ny olona ny fientanana an-tsehatra mandritra ilay Fetibe: ny Soca no hira famantarana ny Fetiben'i Trinidad & Tobago, noho izany rehefa sahaza ilay fotoana ny fientanana, sarotra be ny handàvana ny antson'ny làlana.

Raha marobe ireo tarika mpively barika no nisafidy ny hilalao ireo lanton-kira fahiny ho an'ny fifaninanana Panorama 2023, ary ny sasany tamin'ireo mpiondana Fetibe naneho ny fahaverezan-kevitr'izy ireo manoloana ny lentan'ireo tolotra Calypso Fiesta ho an'ity taona ity, dia misy vitsy ihany kosa ireo hira matanjaka sy miavaka natao hanainga fanahy ireo mpitia lanonana, mpankafy fety ary ny fitiavana mitsinjaka, mihofahofa ary miray fo sy saina tanteraka amin'ilay fetibe.

“Hall of Fame” an'i Mical Teja

Avy ao amin'ny teny fampidirany — “Doh worry lover, doh worry ‘fren, doh worry pardna, yuh go see ‘ting again …” (aza manahy ry mpitia, aza manahy ry namana, aza manahy ry partinera, eny hahita zavatra indray ianareo) — omen'io iray io anao ny fahatsapàna rehetra. Azonao saintsainina fotsiny ny endrik'ireo arabe ao amin'ny Seranan'i Espaina mandritra ny Alatsinainy sy ny Talata amin'ilay Fetibe, rehefa tsy nahitàna olona nandritra ireo taona roa farany teo, izay raha ny mahazatra dia andro ho an'ny fetibe. Asa goavana no vitan'ity hira ity tamin'ny fakàna ilay faminaniana mialoha efa tsapan'ny olona, avy eo namoka izany tao anaty hazakazaky ny fahateraham-baovao maharavo. Misy teboka hafa fanampiny ho fanomezana voninahitra ireo mpiangaly mozika nankamamiana, ireo mpiantsehatra sy mpanefy endrika nanokan-tena nitondra fiovàna goavana, izay ny maha-artista feno fandavantena sy fitiavana nananan'izy ireny no nahatonga ity fetibe ity ho lasa fomba fanao hajaina amin'izao toerana misy azy izao, ary ho an'ny fiovàn'ny lanton-kira izay mitranga avy hatrany eny am-pisasahan'ny gadona, izay tena mandray anjara tokoa amin'ny famoronana ny fientanentanana sy ny angovo. Bonus track: fiarahamiasan'i Teju tamin'ny Freetown Collective, “Mas,” tena maka amim-pahakingàna ny fàka sy ny fanahin'ilay Fetiben'i  Trinidad & Tobago.

“Come Home” an'i Nailah Blackman sy  Skinny Fabulous

Hira iray izay raha jerena maimaika dia miresaka mpifankatia roa manamafy ny fifankatiavan-dry zareo, ny “Come Home” dia tena miresaka tokoa tantaram-pitiavana ifamatoran'ireo olona ao Karaiba amin'ilay Fetibe. Tena mameno ny fo tokoa ny toky iraisan'ny rehetra hoe tsy misy hihevitra indray hanao z'inona ny firavoravoany sy ny hatsaràny, eny fa na efa lasa mandao sy manenjika ny fotoana veriny aza ireo mpifety. Bonus track: anatin'izay fomba fisaina izay ihany, ny “Never Again” an'i Machel Montano dia manipika ny fanolorantenan'ireo mpitia karnivaly manoloana ilay Fetibe.

“Hard Fête” an'i Bunji Garlin

Miala amin'ny fientanentanana nateraky ny embona, mankany amin'ny fiangaly ragga, dinganin'ny “Hard Fete” ireo sava-ranonando ary tonga dia miditra an-tsehatra avy hatrany : “Tsy tonga eto velively hipetrapetraka aho; Tonga hifety sy hanandratra ny tànako aho!” Feno toromarika ho an'ny hoe “Asehoy ahy ny tànanao,” io gadona soca matanjaka io dia kazarana hafatra tsy misy korontana, tsodrano Jah izay mandefa tsara mihitsy ireo mpifety ho anatina fitrifatrifànana ary màka ny hafanam-po “leggo” izay mahatonga ny zavatra iainana rehefa Fetibe ho ambony dia ambony.

“Upgrade Yuh Man” an'i Fay-Ann Lyons

Fampahatsiaviana ilay “Upgrade U” an'i Beyoncé, saingy miaraka amina fientanentanana sy fahatsapana soca, tsy menatra mihitsy i Fay-Ann Lyons (izay vadin'i Garlin ihany koa)  — tsy misy fialàna bàla eto rehefa ny loza mitatao mandrakariva amin'ny Fetibe no resahana — na ny fanitsakitsahana — fantatra kokoa ao Trinidad & Tobago amin'ny hoe “tandroka.” Fihetsehampo mientanentana, toy ny gadona zouk no hita ao anatin'ilay hira, satria lazainy amin'ireo vehivavy fa izy, raha ny marina, dia manao soa azy ireny amin'ny famadihana ireo lehilahin-dry zareo ho olona manam-pahalalàna: “Dokafy ny zanakao vavy rehefa misy asa tsara vitany … teneno ny  ‘misaotra’,   … tsy misy isaoranao!”  Ny vazivazy sy ny fahatokiana feno fahasahiana izay namoahana io hira io dia mahatonga, na iza na iza, eny fa na ireo sipa voafitaka aza,  tsy ho afaka ny ho “tafintohina” amin'ny “flex”-ny.

“Bless This Party” an'i Patrice Roberts

Vatosoa iray sarobidy tsy nampoizina maka ny fanajàna tsy hita fetran'ny “High Mas” an'i David Rudder, miantso hery iray ambony kokoa i Patrice Roberts mba hitahy sy hiaro ireo rehetra mpankafy lanonana, eny fa na dia tonga hifety “miaraka amin'ny fikasàna hikidaladala…ho adala sy kaondrana ao anatin'io fety io” aza ry zareo.” Raha jerena ny tahan'ny heloka bevava feno herisetra ao Trinidad &  Tobago, ary ny tebiteby iainan'ireo vehivavy, indrindra indrindra, rehefa mivoaka ny trano, ity hira ity dia “mantra” iray mampitonitony, manome toky ary mampahatsiahy an-dry zareo Trinbagoniàna mba hanome izay tsara indrindra avy aminy: ny mifampitsimbina.

Jereo ao amin'ny fizaràna faha-2 amin'ity lahatsoratra ity ny fahombiazana azon'ireo soca mafàna tamin'ity vanimpotoana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.