Miaraha amin'ny Global Voices ao amin'ny MozFest 2023!

Sary avy amin'i Connor Ballard-Pateman / @PinotConoir ary nampiasana lisansa (CC BY-NC 2.0).

Handray anjara amin'ny MozFest 2023 hoavy izay hitranga amin'ny sehatra roa samihafa (virtoaly sy mivantana) ny 20-24 Martsa 2023 ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices.

Azo alaina eto ny tapakila “Aloavy izay zakanao” ho an'ny MozFest.

Raha efa nisoratra anarana sy niditra ianao dia tsindrio azafady ny “Add to my schedule” mba handraisanao fampahatsiahivana sy hamandrihana toerana hiatrika fivoriana.

Raha mpikambana ao amin'ny Global Voices mandrindra ny fivoriana ianao, saingy tsy voalaza etsy ambony, azafady mametraha fanamarihana ao amin'ny fanehoan-kevitra ary hampianay izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.