Tsy voamarika amin'ny asa fikarohana sy famonjena ao Tiorkia ireo mpamonjy voina manana tongotra efatra

Sary avy amin'ny mpanao sary tsy fantatra anarana. Nampiasaina nahazoana alalana.

Herinandro taorian'ny horohorontany nandravarava namely an'i Tiorkia tamin'ny 6 Febroary, nihena isa-minitra ny vintana hahitàna ireo sisa velona voafandrika ao ambanin'ireo tranobe an-jatony nirodana. Na izany aza, dia misy ireo tantaran'ny olona voavonjy amin'ny fomba mahagaga isan'andro avy ao ambanin'ny korontam-bato. Ekipa iraisam-pirenena mpitady  sy mpamonjy voina an'arivony no manampy amin'ny famonjena ireo ain'olona ireo. Ankoatra ireo manam-pahaizana momba ny horohorontany, injeniera ary mpamonjy voina matihanina, niantehitra tamin'ireo alikany mpanampy azy ireo, izay nitety nanerana izao tontolo izao ary niasa tsy an-kiato nandritra ny herinandro lasa ny maro amin'ireo ekipa ireo, anisan'izany ny eo an-toerana.

“Rehefa tsy afaka miantso vonjy intsony ny olona ary mandeha ny fotoana ary tsy heno intsony ny olona ao ambanin’ny korontam-bato, dia ny alika no iray amin’ireo vintana farany hahitana olona”, hoy ny fanazavan’i Linda Hornisberger tamin’ny resadresaka nifanaovana tamin’ny BBC. Hornisberger dia Zokiolona Manam-pahaizana momba ny Fikarohana ao amin'ny Fikambanana Swiss Disaster Dog Association (REDOG). “Afaka mandrakotra faritra midadasika haingana ny alika ary afaka mamantatra ny fofon'ny olona amin'ny orony ao ambany korontam-bato.” Nandefa alika mpamonjy voina 14 ny fikambanana niaraka tamin'ny Swiss Rescue Mission  (Iraka Mpamonjy Voina Soisa) ary niara-niasa tamin'ny fikambanana iray teo an-toerana, GEA (Mother Earth) hoy i  Hornisberger. Mbola maro kokoa anefa no nirohotra nanampy.

Fantaro ny sasany amin'ireo mpanampy manan-tongotra efatra izay nanavotra aina andro aman'alina.

https://www.instagram.com/p/CoizI47Mm7I/?utm_source=ig_web_copy_link

Naratra ny sasany tamin'ireo mpanampy ireo nandritra ny herinandro, saingy taorian'ny fitsaboana sy ny fialan-tsasatra dia niverina teny an-toerana izy ireo.

Ekipa mpanelanelana NDRF Urban Search & Rescue miaraka amin'ny alika Mpamonjy Voina sy ireo fitaovana ilaina hafa any Adana Türkiye ho an'ny 🇹🇷 #USAR #HADR Ops.

Tsy tsara vintana kosa ny hafa. Nihetsi-po ny maro rehefa nahare fa maty nandritra ny ezaka famonjena i Proteo, alika mpamonjy voina nandeha tany Torkia avy any Meksika.

RIP ho an'ny alika mpikaroka sy mpamonjy voina Meksikana Proteo, izay maty ‘teo am-perinasa’ araka ny fanambarana ofisialy, miasa ao amin'ny faritry ny horohorontany any Torkia.

Namoy ny ainy nandritra ny asa famonjena ilay alika mpanao fikarohana sy mpamonjy voina malaza ao Meksika #Proteo. Henoko fa nanampy olona roa tao amin'ilay faritra i Proteo. Miombon'alahelo  amin'ny fahafatesan'i Proteo 😢💔

Tsy hanadino anao izahay. Namoy ny ainy ilay alika Meksikana mahery fo Proteo rehefa voafandrika tao ambanin'ny korontam-bato

Araka ny voalazan'ny National Geographic, “Avy amin'ny karazam-biby isan-karazany ary voaofana amin'ny fomba fihetsika isan-karazany ireo alika mpamonjy voina. Mitady fofon'olona — toy ny fofonaina na fofom-batana — amin'ny faritra iray manokana ny alika hafa. ”Ny alika mpanaraka, tahaka ny ireo alika “mpanara-dia” nentim-paharazana, dia manaraka ny lalana nodiavin'ny olona tsy hita. Ny sasany aza dia niasa tamin'ny sambo nanampy tamin'ny fitadiavana ny sisa tavela tao anaty rano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.