Netizen Report: Mangataka valinteny avy amin'ny Facebook ireo mpikatroka manerantany

“Planeta Facebook na Tany Planeta?” Sarintany 2010 momba ny sary sosialy Facebook, avy amin'i Paul Butler.

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza momba ny zo an'aterineto manerantany.

Satria niatrika famotorana teo anoloan'ny Kongresy Amerikana ny filoha tale jeneraly mpanorina ny Facebook, Mark Zuckerberg tamin'ity herinandro ity, nizara ampahibemaso ny fijoroan'izy ireo vavolombelona manokana ireo mpiaro ny zo nomerika manerantany, manome feo amin'ny zava-niainan'ireo mpiserasera an-tapitrisany izay niady tamin'ny fanorisorenana, fanavakavahana sy fandrahonana herisetra tao amin'ny sehatra.

Namoaka taratasy misokatra ho an'i Zuckerberg ny vondrona fiarahamonim-pirenena sivily ao Sri Lanka, nitanisa ireo tranga marobe izay tsy nahavitan'ny orinasa nampihatra ny “Fenitra Ara-piarahamonina” manokany. Manipika ny ady an-trano ao Sri Lanka ny taratasy, ady an-trano izay nifarana tamin'ny taona 2009 saingy mbola an-dalam-panarenana avy amin'izany ny firenena.

Nanonona lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook tamin'ny volana martsa 2018, izay nozaraina tao anatin'ny rotaka ara-pivavahana maherisetra tany afovoan'i Sri Lanka ireo mpanoratra, lahatsoratra izay nitaky ny “famonoana ny Silamo rehetra, tsy anavahana na dia ny zaza aza, satria alika izy ireo.” Na dia efa notaterina imbetsaka aza, mbola hita ao amin'ny Facebook nandritra ny enina andro ny lahatsoratra, miaraka amin'ny orinasa namaly voalohany fa tsy nandika ny Fenitra Ara-piarahamonina napetrany ilay lahatsoratra.

Tamin'ny taratasy misokatra hafa, nanontany tsotra ireo mpiaro ny ny zon'olombelona ao Vietnam: “Miara-miasa amin'ny governemanta fantatra amin'ny famoretana ny fanehoan-kevitra ve ny Facebook?”

Nanamarika ny vondrona fa nihaona tamin'ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao sy serasera Vietnamiana i Monika Bickert, Lehiben'ny Fitantanana ny Politikan'ny Facebook Ankapobeny, ary voalaza fa nanaiky hiara-hiasa amin'ny fanaraha-maso sy fanesorana votoaty izy. Nanohy nanazava ny fomba nanararaotan'ny “tafika antseraseran'”ireo mpandoto rindrina antserasera an'arivony an'ny governemanta Vietnamiana ny fitaovana sy fitaovan'ny Facebook ry zareo, “amin'ny fandrindrana fitoriana maro indray miaraka ny kaonty sy ny pejin'ny mpikatroka ary mihorakora-pifaliana ny zava-bitan'izy ireo raha nesorin'ny Facebook ny kaonty sy ny pejy.”

Nanome asa ho an'ny Facebook ireo mpanandra-tenin'ny fiarahamonim-pirenena ao Myanmar taorian'ny nanombohan”i Zuckerberg ny asan'ny orinasa tao Myanmar ho ohatra amin'ny fandraisana andraikitra amin'ny fotoanan'ny krizy, ao anatin'ny tampon'ny fanafihan'ny miaramila Myanmar ny Rohingya Miozolomana vitsy an'isa tamin'ny taona 2017.

Nosoritsoritan'ny vondrona ny ezaky ny Facebook hanakana ny antso hanaovana herisetra amin'ny vahoaka Rohingya ho “mifanohitra tanteraka amin'ny fampitoniana mahomby” ny vondrona ary nilaza fa nasehon'ny orinasa ny “fisalasalàna hampandray anjara ireo mpiara miombon'antoka ao an-toerana hamoahana vahaolana mahomby sy ny tsy fisian'ny mangarahara”.

Nisy avy any Etazonia ihany koa ny antso tahaka izany. Nisarika ny saina amin'ny porofo maneho fanavakavahana ara-poko sy ara-toekarena ao amin'ny sehatra Facebook sy ny teknolojian'ny dokambarotra ny Data for Black Lives, tambajotran'ny mpahay siansa, mpikatroka sy ireo mpikarakara ao Etazonia. Niangavy ny Facebook ny vondrona mba hametraka ny tahirin'izy ireo ho ao amin'ny “fitokisana ny lahatahirin'ny daholobe” izay ahafahan'ny mpikaroka mamakafakaa izany ho “amin'ny tombontsoam-bahoaka” sy hanakarama Afrikanina-Amerikanina bebe kokoa ao amin'ny ekipan'izy ireo misahana ny vokatra sy ny haitao.

Tamin'ny valinteny midadasika nandritra ny famotorana, nampanantena hanatsara ny mangarahara eo amin'ny dokambarotra sy ny pejy ny Facebook, ary hamela ireo mpikaroka akademika ambony hiditra amin'ny vaovao anatiny mba hampahafantatra ny fikarohana mahaleotena ao amin'ny sehatra. Ny fotoana no hilaza raha toa ka hanampy amin'ny fanatsarana ireo olana lehibe maro voalaza etsy ambony ireo fepetra ireo.

Namoaka sazy henjana an-tranomaizina ho an'ireo mpikatroka enina i Vietnam

Voaheloka ho manao “fanakorontanana” taorian'ny fitsarana naharitra tontolo andro iray tao Hanoi ireo mpikatroka enina, izay mavitrika amin'ny tontolon'ny bilaogy izy rehetra afa-tsy ny iray ihany. Ao anatin'ny sazy fito ka hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina, miatrika sazy henjana indrindra navoakan'ny fanjakana antoko tokana ao Vietnam izy ireo. Nitatitra ny Loa, fandraketam-peo novokarin'ny vondrona Viet Tan fa nilaza tamin'ny fitsarana ilay mpikatroka antsoina hoe Trương Minh Đức fa “tsy manenina aho. Androany ianao mitsara ahy saingy rahampitso, mety ianao no hiatrika fitsarana. “

Nipoitra eo anoloan'ny fitsarana Emirà Arabo Mitambatra ilay mpiaro ny zon'olombelona

Ahmed Mansoor

Tao anatin'ny herintaona mahery, nisambotra sy nanagadra an'i Ahmed Mansoor ny mpitandro filaminana, niatrika fitsarana natao famotorana ihany ity Emiraty mpiaro ny zon'olombelona ity. Notazonina tamin'ny toerana tsy fantatra nandritra ny herintaona mahery izy. Tsy fantatry ny vahoaka raha efa voaheloka amin'ny fomba ofisialy izy na tsia, tsy fantatra koa hatramin'izao izay nitranga tamin'ny fizotry ny fitsarana. Niampanga azy ho nampiasa tranonkala media sosialy mba “hamoahana vaovao diso manohintohina ny firaisam-pirenena” ny manampahefana.

Tsy mahazaka vazivazy ny manampahefana Shinoa

Nanome baiko ny fandraràna ny NeihanShequ, fampiharana malaza hanaovana vazivazy sy ankamantatra ny manampahefana ao Shina, milaza fa nanjary “baranahiny” sy “mivantambantana” ny votoatiny. Namela ny mpiserasera handefa vazivazy sy ankamantatra ao amin'ny endrika media-marolafy, sy mamela ny hafa haneho hevitra sy hitia izany na tsia ny Neihan. Niala-tsiny ampahibemaso i Zhang Yiming, tale jeneralin'ny Neihan ao amin'ny orinasa foibe, Toutiao ary nampanantena fa hanamafy ny fepetran'ny fanivanan-tena manokana ny Toutiao amin'ny alalan'ny fampitomboana ny ekipa mpiasan'ny mpijery mialoha izay ho avoakan'ny efijery izay hitombo ho 10.000 raha olona 6000 teo aloha.

Indoneziana 1 tapitrisa mahery no niharan'ny fanitsakitsahan'ny Cambridge Analytica

Tamin'ny fanambarana an-gazety tamin'ny 5 aprily, nanambara ny Facebook fa nidirana sy nampiasain'ny Cambridge Analytica tamin'ny asany tamin'ny fampielezan-kevi-pifidianana filoham-pirenena an'i Donald Trump ny tahiry manokana momba ireo Indoneziana maherin'ny 1 tapitrisa. Nilaza ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao sy ny serasera ao Indonezia fa tsy hisalasala hanakana ny Facebook manerana ny firenena izy raha mahita ny manampahefana fa nararaotina sy nampiasaina tsy araka ny toy izy izany tahiry manokana izany.

Nanafika mpanao fanadihadiana tsimatimanota tohanan'ny Firenena Mikambana ny mpandoto rindrina Goatemalteka

Namoaka tatitra lalindalina momba ny asan'ny mpandoto rindrina antserasera saiky-matihanina ao Goatemala ny Intercept, izay misy ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana manadihady ny kolikoly sy ny famatsiam-bola fampielezan-kevitra ao amin'ny fitantanan'ny filoha Jimmy Morales. Nandritra ny taona lasa, nanjary lasibatra voalohany tamin'ny fanentanana fanorisorenana ara-politika sy ny fandisoam-baovao an-tserasera ilay mpitsara Kolombiana Iván Velásquez, izay mitarika ny vaomiera.

Nametraka drafitra hanaraha-maso ireo mpanao gazety ny Fiarovana Tanindrazana Etazonia

Nanambara ny Departemanta Amerikana misahana ny fiarovana tanindrazana fa mikasa hamolavola fitoeran-dahatsarin'ny mpanao gazety sy ireo mpampironan'ny media izy mba hanaramaso ny fitateram-baovao sy ny hetsika an-tserasera ataon'izy ireo. Fantatra fa ahitana “mpanao gazety, tonian-dahatsoratra, mpitati-baovao, mpampirona amin'ny media sosialy, sy ny bilaogera” ny fitoeran-dahatahiry ary hiezaka “hamantatra ny fitantarana rehetra ataon'ny media mikasika ny Departemantan'ny fiarovam-pirenena na hetsika iray manokana.”

Nampiato kaonty nahitana “votoaty mpampihorohoro” maherin'ny 1.2 tapitrisa ny Twitter

Tamin'ny tatitra momba ny fangaraharahana faha-12 fanao isaky ny roa taona, nanambara ny Twitter fa nampiato kaonty maherin'ny 1.2 tapitrisa noho ny “votoaty mpampihorohoro” hatramin'ny volana Aogositra 2015. Nanomboka ny volana Jolay-Desambra 2017, nampiato kaonty maherin'ny 274 000 noho izany antony izany izy. Araka ny voalazan'ny bilaogin'ny orinasa, “nomarihan'ireo fitaovana anatiny manokana” (izany hoe tsy olombelona) ny 93% tamin'ireo kaonty ireo, raha latsaky ny 0.2% tamin'ny fitambaran'ireo kaonty naato kosa no notaterin'ny fitondram-panjakana tany amin'ny orinasa.

Fikarohana vaovao

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report

 

Afef Abrougui, Renata Avila, Ellery Roberts Biddle, L. Finch, Rohith Jyothish, Karolle Rabarison, Juke Carolina Rumuat ary Sarah Myers West no niara-nifarimbona tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.