Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Septambra, 2014
Mbola Tsy Tapitra Akory Ilay Tondradrano Tselatra Mamotika Sy Mandrava Any Pakistana
Efa difotry ny adin-tsaina politika, tsy maintsy miady amin'ny tondradrano mahery vaika i Pakistana amin'izao, izay namindràna monina ny olona aman'alina ary namono aman-jatony.
Tezitra Noho Ny Fahatarana Adiny 2, Mpanao Politika Pakistaney Nosakanan'ireo Mpandeha Tsy Hiditra Ao Anaty Fiaramanidina
Efa mahazatra ao Pakistana ny fahataran'ny fiaingan'ny fiaramanidina noho ireo mpanao politika sy olo manana fifandraisana ambony.
Manao Fanamby Momba ny Hanohanana, Ny Ady Ary Ny Pôlitika Ireto Karazany 8 Toy Ny Ice Bucket
Manovaova ny endrik'ilay hetsika miparitaka be ao anaty aterineto ny olona, manomboka amin'ny hetsika “Lather Against Ebola” iadiana amin'ny Ebolà any Côte d'Ivoire, ka hatramin'ny "Rubble Bucket Challenge" ho an'ny ankizy any Gazà.
Ice Bucket Challenge An'i ALS : Inona Avy Ireo Lesona Azo Tsoahana ?

Tsy azo lavina fa lasa maro ny olona mahalala bebe kokoa momba ny ALS noho ny teo aloha, anefa nanome tsiny ilay hetsika ireo tsikera hoe manome vahana bebe kokoa ny fanbandratan-tena fotsiny ilay izy.
Poritsaka Goavana Nahatonga Fanadihadiana Vaovao Amin'ny Fitaovam-Pitsikilovan'i FinFisher Miasa Ao Pakistan

Nisy mpisovoka tsy fantatra anarana iray namoaka ango-tahiry manana hadiry 40 gigabytes miresaka momba ny fampiasana FinFisher, fitaovam-pitsikilovana, ao Pakistan. Manao tatitra momba izay hitany voalohany tao ny Digital Rights Foundation.
Mpanao Fihetsiketsehana Any Pakistana: Miala Ny Praiminisitra Vao Miala Izy Ireo
Lasa niova ho sehatra fiadiana i Islamabad, renivohitr'i Pakistana, taorian'ny nampiasain'ireo mpitandro filaminana entona mandatsa-dranomaso sy bala tena izy, hanoherana ireo vahoaka maro mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta nanandrana haka tampoka ny sekretariàn'ny Praiminisitra.