· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Desambra, 2018

Pakistana: Bilaogin'ny Tabataba

  01 Desambra 2018

Mitondra ity lahatsoratra ity aminareo aho no sady mijalin'ny gripa mahery sy hafanam-batana mihoatra nóho ny tokony ho izy. Bilaogy mifangaro natolotra anao anatinà filaharana mikorontana ireto manaraka ireto, mifantoka amin'ny horohorontany tao Pakistana ny ankamaroany, saingy misy lahatsoratra miresaka zavatra hafa nampidiriko tao mba hitondra hanitra hafa anatin'ny fangaro.

Pakistana: Bilaogin'ny Fikorontanan'ny Fotoana

  01 Desambra 2018

Avy any amin'ny hoavy aho no manoratra aminareo. Vita ara-potoana ity lahatsoratra ity raha ny marina (izay tokony ho vita telo herinandro lasa izay, teo ho eo amin'ny herinandro faharoan'ny volana Jona teo), satria nahita lava-kakana iray tao anaty Aterineto aho mamela ahy hivezivezy manodidina ny hoavy sy ny lasa.

Pakistana: Bilaogin'ny Fanehoankevitra

  01 Desambra 2018

Efa fantatsika tsara ny adihevitra manodidina ilay sariitatra maneho ny Mpaminany Mahomet sy ireo hetsipanoherana nanaraka izany. Na heverinao ho kanto sy lalin-tsaina toy ny inona aza ny asanao, raha manala baraka ny zavatra/olona tian'ny hafa, hajainy na masina aminy, tsy maintsy hahazo valinteny mifono hatezerana ianao, ka aza gaga.

Pakistana: Bilaogin'ny Fiankinandoha

Salama, Omer no anarako ary adalan'ny aterineto aho. Efa 8 taona aho izao no miankin-doha amin'ny aterineto ary manaiky aho fa mila fanampiana. Nanomboka tamin'ny fijerena mahazatra ireo vohikala vitsivitsy mpamoaka vaovao ny fiankinandohako, ary hatreo dia nivoatra ho 20 ora tsy diso isan'andro.

Pakistana: Bilaogin'ny Fialantsasatra

  01 Desambra 2018

Tafaverina aho! …sa tsy nisy nahatsikaritra ny fahalasàko? Na izany na tsy izany, koa satria tsy afaka nanatrika ny fihaonamben'ny Global Voices tany Delhi ny tenako (satria mbola miandry ny fanekena ny visako avy any India efa telo volana izao), dia nandeha nitsidika an'i Pakistana. Sarobidy tokoa ny androko tany.

Pakistana: Bilaogin'ny Tsikera

  01 Desambra 2018

Tahaka ny 'Phoenix' velona indray, miverina aho, nohavaozina, velombelona ary nihatanora ho bilaogera vaovao sy mavitrika. Raha ny marina, manita-dresaka kely aho, ny savorovoro mivoaka avy amin'ny krizy no mitovitovy amiko kokoa, miverina aho, mahantra, torovana sy ketraka manampy ilay bilaogera efa kamolahy ato anatiko.

Pakistana: Bilaogin'ny Mpitarika

Miaraka amin'ny fahatongavan'ny fanaovangazetin'olompirenena sy ny laza tsy miaton'ireo bilaogy ho loharanon'ny fijery sy vaovao tsy mitanila, tsy ho ela ihany koa ireo pitarika an'izao tontolo izao dia hanomboka ny bilaoginy manokana mba hahafahany miaro ny lazany, ka hanome antsika loharanom-kehy iray hafa ankoatra ny Fox News.

Pakistana: Bilaogin'ny Fiafenana

Lalina avy ato anatin'ny toeram-piafenana ambanin'ny tany vao azoko aho no manoratra ity lahatsoratra ity. Tsy hoe akory be fanahiana ny amin'ny fifandirana mananontanona ao Afovoany Atsinanana izay hivadika nokleary, fa satria niakatra be ny lazan'ny bilaogiko: niala taminà mpanaraka roa mampalahelo ka nahatratra isa goavana, mpanaraka 3 sy tapany.

Pakistana: Bilaogin'ny Taom-baovao!

  01 Desambra 2018

Koa satria hifarana ny taona, voatery aho hibanjina ny lasa ary hametraka ity fanontaniana goavana ity amin'ny tenako, "maninona tay aho no tsy nanoratra lahatsoratra ho an'ny GV tamin'ny herinandro?" Azo tsapain-tànana ihany ny valiny; nitsidika ny Firenena Procrasti (tsilalaonteny: "Procrasti Nation"), nosy iray kanto miala ny morontsirak'i Ekoatora aho.