![Heavy rains flood Lahore streets. Image by Ashbel Sultan. Copyright Demotix (5/9/2014)](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2014/09/5681400.jpg)
Mahatondraka ny rano eny amin'ireo lalana ao Lahore ny ora-mikija. Sary nalain'i Ashbel Sultan. Fizakàmanana Demotix (5/9/2014)
Namely ny faritany Punjab ao Pakistana ny oram-be nivatravatra, izay nahatonga renirano dimy hihoatra ny fefiny, nahatondra-drano tanàna an'arivony (tany Punjab, Azad Jammu, sy Kashmir). Voatatitra ho maherin'ny 240 ny maty tao Pakistana fotsiny. Olona aman'aliny no voa, satria nandrava ny tranon'ny an'arivon'izy tamin'izy ireny ny fiakaran'ny rano. Ho an'ny firenena izay efa ao anatin'ny krizy politika, miatrika loza tena mahazendana i Pakistana ao anatin'ilay tondradrano vaovao.
![The Indus river system, which flows in North of India and Pakistan is formed by major rivers of Indus, Jhelum, Chenab, Ravi, Beas and Sutlej. Image from Wikipedia by kmhkmh. CC By 3.0](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2014/09/1024px-Indus_river-370x400.jpg)
Ny fizotran'ny renirano Indus, izay mikoriana any amin'ny faritra avaratr'i Inde sy Pakistana, dia fitambaran'ireo renirano lehibe Indus, Jhelum, Chenab, Ravi, Beas ary Sutlej. Sary avy amin'ny Wikipedia nataon'i kmhkmh. CC By 3.0
Ny fahatondrahan'ny renirano Chenab sy Jehlum no tena niteraka fahavoazana. Nihoatra ny fefiloha andaniny roa amin'ny Jammu ao Kashmir ny rano, izay nahatondraka rano ny tao Pakistana sy Inda, taorian'ny oram-be nikija nanomboka ny 2 Septambra. Tsy ela akory dia namely ny renirano Chenab sy Jehlum ny fiakaran'ny rano tampoka sy ny fihotsahan-tany, izay namely an'i Inda aloha, avy eo nifindra tany amin'ny faritr'i Pakistana.
Nolazaina fa ny tondradrano tamin'ity taona ity no ratsy indrindra nandritra izay dimampolo taona izay. Raha ny marina, milaza ny ankabeazan'ny vavolombelona nanatri-maso fa tsy mbola nahita loza mahery vaika toa izao izy ireo. Rehefa tony ny rano, mety hiakatra avo be ny isan'ny maty ao Inda sy Pakistana mitambatra.
Nanambara ny NDMA (Manam-pahefana Nasionaly Misahana ny Loza) ao Pakistana fa ireo zana-paritra Gujranwala ao amin'ny faritanin'ny Punjab, ary ihany koa ireo distrikan'i Haveli ao Azad Jammu sy Kashmir, no tena voa indrindra.
Efa difotry ny adin-tsaina politika, nohafainganin'ny governemanta tao Pakistana ny fanombohan'ny hetsi-pamonjena an'ireo olona nafindra toerana sy tafahitsoka tao Kashmir, ampahan'ny faritr'i Khyber Pakhtunkhwa ary tao Punjab. Ireo olon-tsotra ao Pakistana no nialoha làlana ireo ezaka famonjena, nanome tolo-tanana sy nandrindra ny fanampiana tamin'ny alalan'ny fikambanana maro mpanao soa.
Nampiasa ny famantarana #PakistanFloods (PakistanaTondradrano) ireo bilaogera, ireo mpampiasa Twitter, sy ny mpanao gazety maro hiantsoana vonjy, mba hampahafantarana ny filàna tolo-tanana sy ireo mpamonjy voina, ary ihany koa hanomezana vaovao momba ny toerana misy ny voina.
Nibitsika ny sarin'ny faharavana nateraky ny fiakaran'ny rano i Faizan Lakhani, mpanao gazety iray avy ao Karachi.
Pictures explaining flood situation in Wazirabad. #PakistanFloods #Pakistan pic.twitter.com/b0YYicedOR
— Faizan Lakhani (@faizanlakhani) September 7, 2014
Sary manazava ny endriky ny tondradrano any Wazirabad. #TondradranoaoPakistana #Pakistana pic.twitter.com/b0YYicedOR
Tany am-piandohan'ity herinandro ity, nanambara i Javed Malik, iraka manokan'ny Praiministra, fa hanomboka hanao fanentanana izy ato ho ato mba hanampiana ireo traboina noho ny tondradrano:
Will be launching a campaign to raise awareness and extend support for the victims Floods in Pakistan #pakistanfloods & #IDPS
— Javed Malik (@JavedMalik) September 5, 2014
Hanao fanentanana mba hanairana ny saina sy hanbitàrana ny fanampiana ho an'ireo traboina noho ny fahatondrahan'ny rano ao Pakistana #tondra-dranoaoPakistana sy #IDPS
Tsy mbola nanjavona ireo zavatra mampidi-doza any amin'ny faritra maro. Nampaneno ny lakolosy fanairana momba ny fiakaran'ny rano ao amin'ny renirano any Jehlum i Andrew North, ilay mpitatitra vaovaon'ny BBC any Azia Atsimo:
River Jhelum now rising every min at Trimu barrage with water coming fr India #PakistanFloods pic.twitter.com/YNUX3KRJ1i
— Andrew North (@NorthAndrew) September 8, 2014
Misomdrotra isaky ny minitra ny renirano Jhelum izao ao amin'ny tondranon'i Trimu noho ny rano avy any Inda #Tondra-dranoaoPakistana pic.twitter.com/YNUX3KRJ1i
Maka sary ny fandravan'ny tondradrano ao Sialkot ity lahatsary ao amin'ny Facebook ity.
Namoaka ireto sary manaraka ireto i Night War, Pakistane iray mpampiasa Twitter, sarin'ny trano be difotra ao hatreny amin'ny antsasany any Wazirabad, iray amin'ireo faritra teo voa any Pakistana:
Buildings half submerged by floodwater after heavy rain in Wazirabad. #Punjab #Pakistan #PakistanFloods pic.twitter.com/0AZEVmK67S
— Night War (@battlehawk_) September 8, 2014
Trano be difotry ny rano hatreo amin'ny antsasany taorian'ny ora-nikija tao Wazirabad #Punjab #Pakistana #Tondra-dranoaoPakistana pic.twitter.com/0AZEVmK67S
Manamarina i Ahmed, olon-tsotra iray hafa mpanao gazety, fa vokatry ny “kitoatoa izay mamono olona” ny krizy ankehitriny fa tsy dia ny loza voajanahary loatra:
#pakistanfloods It's criminal negligence, not a natural disaster. @ChNisarAli @MaryamNSharif pic.twitter.com/mYzb6xEGNW — Ahmed (@amePTI) September 6, 2014
#tondra-dranoaopakistana kitoatoa mamono olona izao fa tsy loza voajanahary. @ChNisarAli @MaryamNSharif pic.twitter.com/mYzb6xEGNW
Ao amin'ny Twitter, nanahy i Faisal Kapadia, mpanoratra iray ato amin'ny Global Voices avy ao Pakistana, fa mety hiharatsy ny zava-mitranga. Satria, manohy ny làlany ny rano, mankany Jhang sy ny faritanin'i Sindh:
The coming monsoon rains.. seem like a tough period for us here in Pakistan…shudder to think what can happen
— FK (@faisalkapadia) September 6, 2014
Ny oram-pahavaratra ho avy… toa ho fotoana sarotra ho antsika aty Pakistana.. mangovitra amin'ny fieritreretana izay mety hitranga.
Ao amin'ny twitter ihany, lazain'i Fatima fa mahita fahombiazana ihany ireo asa vonjy voina :
Since start of relief Operation, #Pakistan Army troops have rescued more than 17000 stranded people to safer places. #PakistanFloods
— Fatima Ali (@FatimaAli52) September 9, 2014
Hatramin'ny fanombohan'ny hetsika fanavotana, olona maherin'ny 17.000 tafahitsoka no novonjen'ny andian-tafika mba ho amin'ny toerana azo antoka #Pakistana. #TondradranoaoPakistana
Tatitra momba ny tondradrano, laharam-pahamehana ny fieritreretana ny fikorontanana ara-politika ao Pakistana ankehitriny. Iharan'ny fametraham-panontaniana lalina ny maha-ara-drariny/mamim-bahoaka ny Praiminisitra Nawaz Sharif. Raha ny marina, vao haingana, nobahanan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fiarany, niteraka tranga nanoloana ireo fitaovana fakana sary:
Protester in front of Nawaz sharif car in sialkot and police man pushing him back & beat him #GoNawazGo #AzadiSquare pic.twitter.com/5F6FluIWxD
— Mujtaba Sharf (@MujtabaSharf) September 7, 2014
Mpanao fihetsiketsehana eo anoloan'ny fiaran'i Nawaz sharif tany sialkot ary mpitandro filaminana manosika sy midaroka azy #MandehanaNawazMandehana #AzadiSquare pic.twitter.com/5F6FluIWxD
Namoaka isanandro “Tatitra momba ny Toe-draharaha” ny NDMA ao Pakistana, izay manome topimaso ny faharavana nateraky ny tondradrano hatreto. Afaka jerena eto (amin'ny endrika PDF) ny tatitra farany, nivoaka tamin'ny 8 Septambra.
Nalain'ny governemanta ho valinteniny ny kiana, kanefa mbola ny ezak'ireo vahoaka ihany no malaza. I Jihane Akharraz ohatra, mpianatra ho injeniera, dia mankalaza ny ezaka amin'ny maha-olona ataon'ireo olon-tsotra any amin'ireo faritra voa:
Consideration to animals, commitment to education, Simply HUMANITY. Pictures taken in Kashmir #PakistanFloods pic.twitter.com/xzAZlb4IRD
— || JihaneAk (@JihaneeAk) September 7, 2014
Fiahiana ny biby, fandraisana andraikitra amin'ny fanabeazana, ny MAHA-OLONA tsotra izao. #Tondra-dranoaoPakistana pic.twitter.com/xzAZlb4IRD
Nandefa “Fampahafantarana momba ny tondradrano” ao amin'ny aterineto ny governemantan'ny faritra Punjab, ao Pakistana, sy ny biraon'ny PDMA ao an-toerana, mba hanarahana maso ny ezaka famonjena, ary ihany koa sary manana kalitao ambony, manaraka ny fotoana isehoany ny sarin'ireo toerana tondraky ny rano ao amin'ny faritany, nalaina avy amin'ny zanabolana. Nametraka ivon-toerana fanaraha-maso ihany koa ireo manampahefana, izay misy tambajotram-piday natokana ho amin'ny fandaminana ny hetsika famonjena sy ny fanavotana.
Tao anatin'ny fihetsika tsy dia fahita ara-pinamànana, nanolotra fanohanana ny Praiministra ao Pakistana Nawaz Sharif i Narendra Modi, Praiministra Indiana, amin'ny hetsika fanavotana any Kashmir, lafin-tany any Pakistana.
Tantara an-dalam-pivoarana iray ity ary manohy miteraka fahapotehana sy faharavana ao Pakistana hatrany ny tondradrano.