· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Novambra, 2012

Bilaogy Mampifandray An'i Afganistana Sy Pakistana: ‘Fifankahazoan'ny Mpifanolo-bodirindrina’

  28 Novambra 2012

Tamin'ny fandaharan'asa fanomezana vatsim-pianarana io, indroa niatrika fihaonambe ireo mpanao gazety 22 avy any Afghanistan sy Pakistana, ny iray tany Islamabad ary ny faharoa tany Kabola mba hisian'ny fifankahazoana sy fifampizaràna ny zava-tsoa ary hifanakalo kolontsaina. Nosoratany ireo traikefa ireo ary nampitondrainy ny lohateny hoe 'fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina' ary vVonona hanao fanamby ry zareo hanohitra ireo fitantaràna am-polo taona voapetraka mikasika ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.

Manohana An'i Palestina i Pakistana

  28 Novambra 2012

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny fanontaniana tsara ho fantatra dia hoe efa nanomboka nampiharina ve ny fampiatoana ady. Efa niteraka famoizan'ain'olona marobe ny ady naharitra...

Pakistana: Baomba Dimy Namely Tanàna Telo Tao Anatin'ny Iray Andro

  25 Novambra 2012

Andro mahatsiravina ny Alarobia 21 Novambra noho ny fanafihan'ny Tallibana ireo Imambargahs, diabem-pisaonana Muharram, sy ireo sampan-draharaha misahana ny fitandroana fahalemana ao Karachi, Rawalpindi, ary Quetta. Vokany, olona 20 no namoy ny ainy ary 43 kosa naratra. Nanaiky mivantana tsy mitsitsy ny mpitondra tenin'ny Talibana, Ehsan Ullah Ehsanor fa izy ireo no tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana...

Pakistana: Voaroaka Tao LUMS ny Dr. Pervez Hoodbhoy

  02 Novambra 2012

Noesorina tao amin'ny LUMS (Oniversite Lahore momba ny Fitantanana Ara-tsiansa) ny Dr. Pervez Hoodbhoy, maintimolalin'ny MIT sy fizisiana ambony fanta-daza. Tsy hohavaozina amin'ny fe-potoana manaraka ny taratasim-pifanekena arak'asan'ny Dr. Hoodbhoy izay tokony hanomboka amin'ny Janoary-2013. Nanjary vaovao malaza tao amin'ny Twitter ny taratasy fifanekena arak'asan'i Dr. Hoodbhoy. Fijerin'i Dr. Hoodbhoy Tao...