· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Aogositra, 2010

Pakistana: Ezaka fanampiana – Tatitra avy any an-toerana

Indraindray, mila traik'efa betsaka vao afaka mahatsapa ny tena mampalahelo amin'izao zava-mitranga izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity izahay mizara tatitra sasany avy amin'ny mpanoratry ny Global Voices Salman Latif any Multan izay vao tsy ela no tany amin'ny faritr'i Muzaffargarh sy Mehmood Kot any Pakistan mba hizara fanampiana ho an'ireo tra-boina.

29 Aogositra 2010

Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano

Naka ain'olona 1600 mahery ny tondra-drano a farany teo tany Pakistan ary nahakasika vahoaka manodidina ny 20 tapitrisa izay tena anatin'ny filàna fanampiana mihitsy amin'izao. Mitety ireo faritra mamakivaky an'i Pakistana ireo tanora Pakistane mponina amin'ny aterineto mizara ireo fanampiana ary maneho ireo hetsika ataony ho hita mivantana amin'ireo bilaoginy, sy ny Twitter, ireo sary sy ireo horonantsary.

28 Aogositra 2010

Andron'ny fahaleovantena nilamindamina ny an'i Pakistana

Raha mahita ny fijaliana rehetra sy ny haizina mandrakotra ny fiainan'ny Pakistane tsotra amin'izao fotoana izao, tsy mahagaga mihitsy raha mangingina ny andron'ny fahaleovantena tamin'ity taona ity. Milaza ireo mpitoraka bilaogy fa mbola matanjaka tsara ny firenena hahafahany miarina indray.

18 Aogositra 2010

Pakistana: Antsoy hoe Pornistan?

Tamin'iny volana lasa iny, Fox News dia namoaka tatitra nanambara fa i Pakistana no mitàna ny laharana voalohany amin'ny tranonkala vetaveta araka ny voarakitr'i Google. Manadihady ilay tatitra ireo mpitoraka blaogy Pakistane ary mampahatsiahy teboka manan-danja vitsivitsy mifandraika amin'ireo olana fanasivanana aterineto ao amin'ny firenena.

08 Aogositra 2010

Tondra-drano nandrava tany Pakistan

Tondra-drano tany Pakistan, 02 aogositra 2010. Sary tamin'ny Flickr nampiasa Globovisión. CC BY-NC Tsy nitondra fitahiana ho an'i Pakistan tamin'ity taona ity ny Rivotra mousson. Raha noheverina ho fotoam-pankalazana sy fifaliana...

04 Aogositra 2010

Pakistan: Fisaonana ireo namoy ny ainy tamin'ilay fianjerana fiaramanidina

Tamin'ny marainan'ny 28 Jolay teo, nianjera tany amin'ny vohitr'i Margalla tany Islamabad ny fiaramanidina Airblue flight ED 202 avy any Karachi. Tsy n,isy na iray aza avotra tamin'ireo mpandeha 152. Miresaka mikasika izany ireo mpitoraka blaogy ary mametram-panontaniana mikasika ny fandrindrana sy ny fitateran'ny media coverage mikasika ity loza ity.

03 Aogositra 2010