Tezitra Noho Ny Fahatarana Adiny 2, Mpanao Politika Pakistaney Nosakanan'ireo Mpandeha Tsy Hiditra Ao Anaty Fiaramanidina
Nalaza tao amin'ny ateriento ny lahatsary tamin'ny finday mampiseho ireo mpandeha fiaramanidina tezitra nandroaka mpanao politika malaza iray ao Pakistana, Rehman Malik, tamin'ny Zotram-piaramanidina Pakistan International Airlines (PIA) hiainga ao Karachi hisidina ho any an-drenivohitra, Islamabad.
Efa mahazatra ny fahataran'ny fiaingan'ny zotram-pirenena an'habakabaka Pakistana noho ireo mpanao politika na olona manana fifandraisana ambony. Tsy mazava kosa raha nahemotra noho i Malik ny PK 370 na noho ny olana ara-teknika, izay efa mahazatra ihany koa. Saingy nanapa-kevitra ny sasany tamin'ireo mpandeha tezitra tamin'ny zotram-piaramanidina fa noho ny fahadisoan'i Malik no nahatonga ny fahatarana adiny roa ary nosakanan'izy ireo tsy hiditra tao anaty fiaramanidina izy. Taorian'ny zava-nitranga, nisioka i Malik fa tsy misy idirany ny fahataran'ny fiaingana.
Araka ny filazan'ny mpisera DailyMotion Minator90210, izay namoaka andiana lahatsary tamin'ny finday tao anatin'ny fiaramanidina, nilaza tamin'ireo mpandeha ny mpiasan'ny zotram-piaramanidina tany am-boalohany fa noho ny olana ara-teknika no mahatonga ny fahatarana. Saingy nanomboka ny buzz tao anaty fiarahamanidina fa noho ny mpandeha VIP, minisitry ny atitany teo aloha Rehman Malik, izay tara fahatongavana no nahatonga ny fahatarana.
Tao anatin'ny adiny telo nandefasana ny lahatsary tao amin'ny habaka Daily Motion, maherin'ny 53.000 ireo olona nijery ilay lahatsary tamin'ny finday mampiseho an'i Rehman Malik nifanatrika tamin'ireo mpandeha tezitra. (Voaràra ao Pakistana ny YouTube, saingy nalefa tao koa ilay lahatsary.)
Re mazava ny feon'ireo mpandeha tezitra vitsivitsy saingy tsy hita kosa ny tavan'izy ireo ao anatin'ilay lahatsary amin'ny finday, izay nalaina teo amin'ny fidirana ao anaty fiaramanidina mifandray amin'ny tetezana fiampitàna (jet bridge). Mpandeha iray miteny anglisy nilaza hoe , “VIP hono. Hatonoko izy. Tsy manahy ve ianao. Rehefa miditra izy.”
Mpandeha tezitra iray hafa nitabataba tamin'ny teny Urdu hoe, “Andriamatoa, tokony hisy olona hitono ireo ampondra ireo. Taraiky adiny 2-3 hatrany isika noho izy ireo.”
Nanaraka niteny ihany koa ireo mpandeha maromaro vitsivitsy, nameno ny tenin'ireo sasany, “Hainay nandritra ny 68 taona izany (kolontsaina VIP) izany [fotoana naha-mahaleotena an'i Pakistan]. Mbola haka 68 taona hafa indray ve isika?”
Satria hita mandeha amin'ilay tetezana fiampitàna mankao amin'ny voromby i Malik, mpandeha iray nilaza tamin'ny teny Urdu hoe “Tonga izy, tonga izy.”
Nanomboka niampanga sy nitabataba tamin'i Malik ireo mpandeha tezitra noho izy nanemotra ny fiaingan'ny fiaramanidina nandritra ny adiny roa. Niverina avy hatrany niaraka tamin'ny manodidina azy i Malik alohan'ny hidirana ao anaty fiaramanidina.
Re tezitra miteny ratsy an'ilay minisitra avy any aoriana ireo mpandeha sasany. Niala-tsiny noho ny teny mahery nataony ilay mpandeha nampanantena hitono azy ary niezaka nitony tamin'ny feony, saingy niezaka nanakana azy ny mpiasa iray tao amin'ny zotram-piaramanidina, ary mbola nitabataba tamin'i Malik ihany izy hoe: “Andriamatoa, alohan'ny hiverenanao, tokony hanao azafady amin'ireo mpandeha ireo ianao! “
Niverina vetivety fanindroany i Malik, tsy renay izay nolazainy. Hoy ilay mpandeha nanohy “, Rehman Malik, mpandeha 250 no nihemotra fiaingana noho ianao. Miala tsiny aho. Fahadisoanao izany andriamatoa. Tokony ho menatra ny tenanao ianao. Andriamatoa Malik, tsy minisitra intsony ianao. Ary na dia minisitra aza ianao, tsy raharahanay! Ianao olombelona dia tokony mitsinjo ny maha-olona. Miverena any an-tanety! “
Satria nivoaka i Rehman Malik, mpandeha iray niteny hoe: “Hidio ny varavarana ary alefaso hisidina hoany Islamabad ity voromby ity. Tokony ho [fantatra] sy raketina izany, navoaka i Rehman Malik. Natsipinay any ivelany izy!”
Rehefa voaroaka tao anaty fiaramanidina i Malik, niditra tao amin'ny Twitter ity mpanao politika ity mba hanome ny fanazavany hoan'ireo mpanjohy azy maherin'ny 200K :
I am neither a VIP nor ever I behave VIP.I travel economy class.i saw two passengers abusing PIA.i saw them and returned to the lounge.
— Rehman Malik (@SenRehmanMalik) September 15, 2014
Sady tsy VIP aho no tsy mitondra tena tahaka ny VIP. Mandray fiaramanidina amin'ny kilasy ekonomika aho. Nahita mpandeha roa mihery fiteny tao amin'ny Pakistan International Airlines (PIA) aho. Nahita azy ireo aho ary niverina tao amin'ny efitra fipetrapetrahana.
The PIA flight was not delayed for me.I saw one guy looked to be drunk shouting at PIA and I decided to return as the door was closed
— Rehman Malik (@SenRehmanMalik) September 15, 2014
Tsy nahemotra noho ny amiko ny zotram-piaramanidina PIA. Nahita lehilahy iray toa mamo mitabataba tamin'ny PIA aho ary nanapa-kevitra hiverina satria nikatona ny varavarana
The flt was announced to be delayed at 6pm till 830.i suffered equally.i reached at 835.it is wrongly thought that delay was b/c of me
— Rehman Malik (@SenRehmanMalik) September 15, 2014
Efa nambara fa tara nanomboka tamin'ny 6 ora hariva ka hatramin'ny 8:30 ora ny fiaingan'ny zotram-piaramanidina. Mba nijaly ihany koa aho. tonga tamin'ny 8:35 ora aho. Noheverina am-pahadisoana fa noho ny amiko ny fahatarana
Nandefa lahatsary roa hafa avy ao anatin'ny fiaramanidina talohan'ny fandroahana an'i Rehman ihany koa i Minator90210. Tamin'ilay voalohany, miezaka manamafy ireo mpandeha raha avy amin'i Rehman Malik no mahatara ny fiaingana; nomena lohateny hoe «Miezaka manafina ny momba an'i Rehman Malik ireo manampahefan'i PIA:”
“Iza no nahatara ny fiaingan'ny fiaramanidina? Rehman Malik? Manontany ilay kapiteny teo akaikin'ny varavaran'ny voromby ao amin'izao fotoana izao. Lazao i Rehman Malik mba handray fiara fitateram-bahoaka mankany Islamabad. Tsy rariny izao”, hoy ny mpandeha iray tao anatin'ilay lahatsary. Mpisolovava iray nilaza hoe, “iza no hiaro ahy rahampitso, ny raiko? Manana asa atao aho!”
Lahatsary faharoa nalefan'i Minator90210 kosa mampiseho mpanao politika iray hafa avy amin'ny antoko PML-N Ramesh Kumar Vankwani miditra tara ao anaty fiaramanidina ihany koa. Nanontany ny momba azy ireo mpandeha ary niampanga azy ho miaraka amin'i Rehman Malik; namaly izy fa anisan'ny mpandeha ao anatin'ny fiaramanidina tokoa i Rehman Malik saingy tsy miaraka aminy. Tsy resy lahatra tamin'ny valinteniny ireo mpandeha ary nandroaka azy tao anaty fiaramanidina ihany koa, sady nitabataba hoe “mahamenatra, mahamenatra, mahamenatra, mivoaha ato anaty fiaramanidina.”
Efa minisitry ny atitany tao Pakistan tamin'ny taona 2008 hatramin'ny 2013 i Rehman Malik, ary mpitari-dalana tamin'ny ady amin'ny fampihorohoroana tao amin'ny firenena nandritra ny governemanta farany notarihin'ny Antokom-bahoaka Pakistaney (PPP). Niverina teo amin'ny sehatry ny politika indray i Malik mba hiezaka hanampy ny governemantan'i Nawaz Sharif amin'izao fotoana hifampiraharaha amin'ireo mpanao politika mitarika fihetsiketsehana goavana manohitra ny governemanta ao Islamabad, izay nahazo mpanao fihetsiketsehana an'aliny manerana ny firenena, miaraka amin'ny teny filamatra miampanga ny kolikoly, ny VIP ao Pakistan ary ny kolontsaina mizahozaho (ao amin'ny mpitondra).
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...