· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Desambra, 2012

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

GV Mpisolovava

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

29 Desambra 2012

Pakistana: Nakatona ny Twitter

GV Mpisolovava

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny Islamo ny Twitter....

16 Desambra 2012

Taratasy Misokatra: Ho An'ireo Mpampiasa Aterineto Any Sina, Avy amin'ny Mpampiasa Aterineto Any Pakistana

GV Mpisolovava

Ho an'ny ezaka firaisankina eo amin'ireo vahoaka misedra olana iray mitovy amin'ny aterineto, manao fanentanana ireo mafana fo Pakistane mba hiresahana amin'ireo Shinoa mitovy aminy. Noho ny governemanta Pakistane maka tàhaka amin'ny fepetra Shinoa mba hifehezana ny aterineto, Sana Saleem, Pakistane mpampiasa aterineto sady mpandray anjara amin'ny Global Voices, dia mandefa taratasy misokatra ho an'ireo Shinoa mpampiasa aterineto.

04 Desambra 2012