Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Marsa, 2021
Atolotry ny Diabe Aurat 2021 ny manifesto fikarakarana ara-pahasalamana feminista ao Pakistan
Nitaky ny hampiakaran'ny governemanta ny tetibola ara-pahasalamana ho 5 isan-jaton'ny harinkarena faobe mba hisitrahan'ny vehivavy fikarakarana ara-pitsaboana tsara kokoa ny mpanao diabe rehefa nilaza izy ireo fa nahatonga ny "Valan'aretin'ny Fanjakazakan-dehilahy" ny COVID-19.
Noraràn'ny Pakistan fanindroany ny TikTok
Nobahanana nandritra ny 10 andro ny TikTok tamin'ny Oktobra 2020. Naverina ny fidirana taminy rehefa nanome toky ny manampahefana ny orinasa renin'ny fampiasa ByteDance fa homena vahana ny fanalefahana.
Mpihanika telo no tsy hita popoka nandritra ny ririnina, nanandrana nihanika ny tampon'ny K2 tany Pakistana
Na dia kely aza ny vintana hahatafavoahana velona, dia manantena fahagagana ny fianakavian'ireo telo mpihanika tendrombohitra mbola tsy hita.
Taorian'ny taona maro nanaovana hetsi-panoherana, havadika ho Ivontoerana fiarovana biby ny valan-javaboarin'i Islamabad
Nifarana tsara ny taona 2020, taona niadian'ireo Pakistane hevitra tsy nisy ohatr'izany momba ny fampijaliana biby.