Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Avrily, 2015
Mpikatroka Pakistaney Maty Voatifitra Rehefa Avy Nampiantrano Hetsika Momba an'i Balochistan
Ny harivan'ny 24 aprily, maty voatifitra i Sabeen Mahmud, iray amin'ireo mpikatroka ara-tsosialy malaza indrindra ao Karachi, rehefa avy nampianatrano ny hetsika antsoina hoe "Unsilencing Balochistan" izay nokarakarain'ny fikambanana The Second Floor.
GV Face: Mamaky Ny Fahanginan'i Pakistana Amin'ny Raharaha Balochistan
Zara raha misy ny fifanakalozan-dresakanatao ho an'ny daholobe momba ny ady ao Balochistan. Heverin'ireo tia tanindrazana ho adidin'izy ireo amin'ny firenena ny fahanginana momba ny raharaha Balochistan, ny hafa indray manivan-tena noho ny tahotra ny herin'ny tafika ao Pakistana..
Manohitra Ny Sivana Ataon'ny Fanjakana Amin'ny Balochistan Ny Pakistaney Mpianatry ny Oniversite
Nivoaka an-dalambe ny mpianatry ny Oniversiten'ny Siansa momba ny Fitantanana ao Lahore (LUMS) tamin'ny 10 Aprily mba hanohitra am-pilaminana ny fanafoanana vao haingana ny fianarana akademika momba an'i Balochistan ao amin'ny LUMS.
Minisitry Ny Emira Arabo Mitambatra Miteny Amin'i Pakistana: “Mila Maka Safidy Mazava Ianareo Mikasika Ny Ady Ao Yemen, Raha Tsy Izany…”
Mety hovidian'i Pakistana lafo ny fijoroany "mifanipaka sy manjavozavo" momba ny ady tarihan'i Arabia Saodita ao Yemen, hoy ny minisitra iray aoamin'ny Emirà Arabo Mitambatra, tao amin'ny Twitter.
Mbola Any Am-pialokalofana Ilay Pakistaney Mpanoratra Gazety sady Bilaogera, Herintaona Taorian'ny Fanafihana Mahery Setra
Na dia efa mialokaloka any Etazonia aza ilay bilaogera Pakistaney sady mpaneho hevitra ara-politika malaza, Razai Rumi, mbola mahazo fandrahonana an-tserasera hatrany izy.