Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Oktobra, 2013
GV Face: “Advox” Amin'ny #IGF2013

Mivantana avy ao Bali, ao Indonezia, araho ny resadresaka ataon' ireo Advoxer: Hisham Almiraat, Ellery Biddle, Sana Saleem, Nighat papa, sy ireo namana hafa ao amin'ny GV mikasika ny olana momba ny zon'ny mpiserasera mandritra ny hetsika amin'ity taona ity.
‘Chayn’, Vohikala Vaovao ho an'ireo Iharan'ny Herisetra An-tokatrano any Pakistana
Miezaka hanampy ireo vehivavy any Pakistana ny vohikala iray tarihanà vondrom-bahoaka mpirotsaka an-tsitrapo, izay manodidina ny 70-80 isanjaton'ny vehivavy no iharan'ny endrikà herisetra an-tokatrano.
1.300 Andro Nanaovana Fihetsiketsehana Ho An'ireo Baloch Nanjavona Tao Pakistan
Tao Baloutchistan, izay namoizan'ain'olona an'arivony sy olona tsy hita marobe nandritra ny tolona nataon'ireo separatista zato taona lasa izay, Manao fihetsiketsehana ao amin'ny toby ho an'ireo lasibatra ilay mpikatroka Abdul Qadeer Baloch.
Farintanin'i Sindh Any Pakistana: Nanao Tolo-dalàna Hanakànana ireo Rindrambaiko Fampiasa Amin'ny Finday
Ny Governemanta any Sindh dia nanao tolo-dalàna ho fandraràna mandritra ny telo volana ny fifandefasana hafatra amin'ireo rndrambaiko fampiasa Viber, WhatsApp, Tango, Skype sy Voice Over Internet Protocol hafa mba hanakànana ny asan'ireo mpampihorohoro.
Pakistana :Resy Indray Ny Maha-Olona, Kristiana Maherin'ny 80 No Maty
Mpametraka baomba mpanao vy very ny ainy niisa roa no nanapoaka ny tenany tamin'ny baomba tao anatin'ilay fiangonana 130 taona tany Peshawar taorian'ny fotoam-pivavahana Alahady ary nahafaty olona maherin'ny 80 sy nandratra olona maro.