· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Aogositra, 2012

Pakistana: Naaton'ny Governemanta Ny Fifandraisandavitra An-tanandehibe Nandritra Ny Eid

  24 Aogositra 2012

Nandritra ny Eid-ul-Fitr, fotoana manamarika ny volana fifadian-kanina ho an'ny Miozolomana izay ankalazaina ho andro tsy fiasana,  notapahan'ny governemantan'i Pakistana ny tambajotram-pifandraisana amin'ny finday ho an'ireo tanàndehibe efatra ao amin'ny firenena – Karachi, Lahore, Multan ary i Quetta. Mihantona tsy mandeha ny tambajotram-pifandraisana manomboka ny Alahady 19 Aogositra 2012 amin'ny 8 hariva, hatramin'ny...

Pakistana: Mitohy Ny Famonoana Ikendrena Ny Shiita

  20 Aogositra 2012

Ny 16 Aogositra 2012, nisy olona mitam-piadiana nanakana fiabe mpitatitr'olona tao Mansehra, nisintona Silamo Shiita 20 ary namono azy ireo an-kitsirano. Tranga fahatelo nikendrena ny vondrom-piarahamonina Shiita tao Pakistana io tato anatin'ny 6 volana. Mpikirakira aterineto no manamarika hoe : "Eritrereto raha hoe notanterahana tao anaty fandrindrana maty paika ny famonoana ireo voalohany nokendrena tao #Pakistan, mety tsy ho nisaona ny tao #gilgit akory isika androany!"