Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Avrily, 2019
Pakistan: Horohorontany tany Baluchistan
Ny Alarobia maraina, nanozongozona ny ampahany atsinanan'i Pakistana ny horohorontany tamin'ny maridrefy Richter 6.5. Ziarat, faritra saro-dalana any Baluchistan no faritra tena voakasika mafy. Niteraka fahafatesan'olona maherin'ny 300, naratra an-jatony ary an'arivony tsy manan-kialofana lasa monina ankalamanjana ao anatin'ny ririnina mamirify izany.
Fanafihana ny tranonkalan'ny Vaomieran'ny fifidianana tao Pakistana

Nisy nipiraty ny Zoma 29 Martsa 2013 ny tranonkalan'ny Vaomieran'ny fifidianana ao Pakistana, sampana mahaleotena misahana ny fanaraha-maso ny fifidianana ankapobeny.Araka ny fampitam-baovao tao an-toerana, "nipiraty ny pejy fandraisana [ny mpijirika Indiana iray]" ary inoana fa "nanimba ny fisiany ho an'ny mpitsidika izany."