Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Desambra, 2020
Pakistàna : vehivavy mikarakara hetsika nasiônaly ho setrin'ilay fanolànana nahavaky fo
Nomarihan' ireo vehivavy nikarakara ny hetsipanoherana ny fandàvan-dry zareo ny fanantonana imasombahoaka, izay antso iray miverimberina ao Pakistàna isaky ny lasa lohateny vaventy anaty gazety ny tranga fanolanana
Pakistàna: Sazy henjana kokoa ho an'ny fanolanana, isan'izany ny famosirana amin'ny fomba simika
Resahan'ireo lalàna vaovao ny endrika maro amin'ny dingana momba ny heloka bevava, isan'izany ny fanitàrana ny famaritana ny atao hoe fanolanana, izay noarahabain'ireo mpikatroka. Mbola misy anefa teboka hafa naharaisana fanehoankevitra mifamahofaho
Pakistàna: mety ho voarara noho ilay lalàna vaovao ‘henjana dia henjana’ ireo sehatry ny media sôsialy
Niteraka fanakianana avy amin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy ireo orinasa momba ny teknolojia ireo fepetra vaovao manome fahefana ny fanjakàna handrindra ny votoaty ety anaty aterineto sy handrara manontolo ireo sehatra sôsialy
Pakistàna : Nibaboka ilay mpamono olona misesisesy fa nampiasa ny tambajotra sôsialy hamandrihana ireo pelaka hovonoiny
Nanamafy ilay voalaza ho mamono olona fa mba hiampangàna ny fiparitahan'ny fametavetàna zaza no antony. Atahoran'ireo mpikatroka sasany ny hitehafana azy ho toy ny maherifo