Nanatanteraka hetsika miaramila tany amin'ny distrikan'i Awaran ao Balochistan ny tafika Pakistaney ny alina alohan'ny Krismasy. Raha ny fantatra dia nikendry ny Tehsil Mashkai an'ny tranon'ilay mpitarika fisintahana Dr. Allah Nazar any amin'ny vohitr'i Mahi ilay hetsika.
Mitoraka bilaogy ny Let us build Pakistan (LUBP) :
Voakendry manokana ny fianakavian'ny Dr Allah Nazar Baloch nandritra io hetsika io. Naratra ny reniny izay efa nahazoazo taona sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny fianakaviany izay vehivavy sy ankizy ny ankamaroany. May ireo tranon'ny Dr Allah Nazar baloch, ny an'ny rahalahiny Safar Khan Baloch miaraka amin'ireo trano am-polony hafa taorian'ny fandrobàna. Nalain'izy ireo Dr Allah Nazar baloch, ny zaodahiny Shah Baig Baloch sy i Naeem Baloch miaraka aminà tanora Baloch maro.
![1414450 [640x480]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2012/12/1414450-640x480.jpg)
Ireo mpanao fihetsiketsehana teo akaiky ny Arabe 10 Downing. Sary an'i Ruth Whitworth. Copyright Demotix (30/8/2012)
As world celebrates X'mas, Pakistan Army has laid siege to Mashkai in #Balochistan for 2 days with heli-gunships. Help! http://t.co/t9oNYKTx
— Tarek Fatah ਤਾਰਿਕ (@TarekFatah) December 25, 2012
“Raha izao tontolo izao mankalaza ny Krismasy, ny tafika Pakistane kosa nao fahirano an'i Mashkai tao #Balchistan nandritra ny roa andro niarak tain'ny angidimby mirongo fiadiana. Vonjeo!”
Araka ny voalazan’ ny mpitarika ny twitter Baloch, nikendry ny vahoaka sivily io hetsiky ny miaramila naharitra 72 ora io. Nanohy nitoraka bitsika mikasika ireo vaovao farany momba ilay hetsiky ny tafika sy ireo maty ny kaonty fahatsiarovana an'i Balaach Marri ilay olona teo ambadiky ny fahaleovantenan'i Baloch. Nisy namono nandritra ny hetsiky ny tafika tamin'ny 2007 i Balaach.
MASHKAY Civilian Death Toll Rises to 31: inc. 12 from same family, women and children mainly targeted in bombardment #BalochistanOperation
— TheBaloch (@BalaachMarri) December 26, 2012
Miakatra ho 31 no isan'ny sivily MASHKAY maty: tafiditra anatin'izany ny 12 tnga dia avy aminà fianakaviana iray, zaza amam-behivavy no tea lasibatra tamin'ilay fandaroha baomba tamin'ny #BalochistanOperation
Army smartly chose Dec 25 for Mashkay operation because all Pakistan & India would be busy watching #PakVsInd match. #BalochistanOperation
— TheBaloch (@BalaachMarri) December 26, 2012
Tena nokendren'ny tafika tsara mihitsy ny andron 25 Des hanaovana ny hetsika Mashkay satria samy ho sondriana hijery ny lalao #PakVsIndia i Pakistana India
#Mashkay is still under siege no local journalist is allowd to visit area to report the exact number of death toll, #BalochistanOperation
— Archen Baloch (@ArchenBaloch) December 26, 2012
Mbola anaty fahirano i #Mashkay amin'izao ary tsy misy mpanao gazety avy ao an-toerana mahazo mirotsaka eny an-kianja mba hitatitra izay tena isa marina amin'ny maty #BalochistanOperation
https://twitter.com/Natrani/status/283877223574953984
#BalochistanOperation Te-hampiasa ny sary vao avy nalaiko teo ny BBC. Indrisy tsy manana mpifandray aty Balochistan ry zareo na iray aza
Mitoraka bitsika ny Let us build Pakistan:
„Sahirana manely tantara mikasika ireo olana ao anatin'ny tokantranon'ilay mpihira Annie sy ny vadiny ny media mahazatra. Fantatr'izy ireo fa hampifantoka ny saina kokoa izany raha oharina aminà vaovao mikasika ady nandrava an'i Balochistan.”
Nozaraina tao amin'ny twitter ihany koa ny lisitra tsy fenon'ireo olom-pirenena maty nandritra io bemidin'ny tafika io.
Incomplete list of martyrs & injured in yesterday's military operation by Pakistan Army at Mashkay Balochistan. pic.twitter.com/Ab2GAlZ7
— Borhaan Arifee (@Barifee) December 26, 2012
Lisitra tsy feno ahitàna ireo maritiora&naratra tamin'ny hetrsika miramila omaly nataon'ny tafika Pakistane ta Mashkay Balochistan pic.twitter.com/Ab2GAlZ7
Misy sary vitsivitsy nandehandeha tao anatin'ny media sosialy saingy na izany aza dia tsy mbola voamarina ny maha-tena izy an'ireny sary ireny.

Sary an'i Sangat Baloch, nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlany

Sary an'i Sangat Baloch, nampiasaina teo ambany ny famelany
Tsy ity no hetsiky ny tafika nataon'ny miaramila Pakistaney na ny “Frontier Corps” an-tsehatra voalohany any Balochistan. Na eo aza izany, tsy mbola nanintona ny sain'ny media mahazatra sy ny adihevitra politika mihitsy ny raharaha Balochistan. Matetika ny mpitarika ny twitter Baloch dia manao sesitany ny tenany na mitoraka bitsika tsy mitonona anarana noho ny lafiny fiarovana.
Ignorants: – those who think any military Op doesn't violate civilians Human Rights – shame on those calling Baloch tweeps liars #Mashkey
— salma jafar (@Chiltan) December 26, 2012
BOMB us, DISPLACE us, ABDUCT us, TORTURE us, KILL us, But at end of the day Balochistan won't be yours. #Mashkay #BalochistanOperation
— Faiz Baluch (@Faiz_Baluch) December 26, 2012