Tantara mikasika ny Tiorkia tamin'ny Oktobra, 2021
Vonona ‘handrindra ny fifandraisana’ i Tiorka sy i Armenia efa ho 30 taona aty aoriana
Efa ho telopolo taona taty aoriana, mieritreritra ny hanokatra ny sisin-taniny miaraka amin'i Armenia i Torkia. Nikatona nanomboka ny taona 1993 ny sisintany.
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Boji, ilay alika mampiasa fitateram-bahoaka mitety an'i Istanbul
Fantaro i Boji, ilay alika mpirenireny ao Istanbul izay mampiasa fitateram-bahoaka hitsangatsanganana amin'ny tanàndehibe isan'andro.
Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena
Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny "100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha," sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana
Fifandraisana eo amin'i Tiorkia sy Rosia: “Sarotra be”
Ny 29 Septambra, nihaona tao amin'ny tananan'i Sochi ao amin'ny Ranomasina Mainty Rosiàna ireo mpitarika ny firenena roa tonta, mba hiresaka ny ara-toekarena sy ireo fifanarahana stratejika ary ny fisian'izy ireo any amin'ireo faritra misy fifandonana.