Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo

 

Pikantsary avy amin'ny Freedom House Sarin-tany mampiseho ny fahalalahan'ny aterineto.

Namoaka ny andiany farany amin'ny tatitra mikasika ny Fahalalahan'ny Aterineto tamin'ny 21 septambra lasa teo ny Freedom House, kiadin'ny zon'olombelona. Namintina ny tatitra fa “nihena tao anatin'ny 11 taona nifanesy ny fahalalahan'ny aterineto manerantany.” Manombana ny toe-draharahan'ny zon'olombelona amin'ny sehatra ankihy manerana ny firenena miisa 70 ny tatitra. Inona avy ireo fehin-kevitra avy amin'ny tatitra momba an'i Torkia, Georgia, Armenia, ary Azerbaijan? Hojerentsika akaiky kokoa izany.

Eto ny➡️ #Fahalalahan'ny aterineto 2021: Hetsika manerantany hanaraha-maso ny teknolojia goavana

Nihena tao anatin'ny 11 taona nifanesy ny fahalalahan'ny aterineto.

? amin'ny fikarohana lehibe hitanay

Georgia: misy fahalalahana

Nofintinin'ilay tatitra vaovao fa na dia nisy aza ny ezaka nataon'ireo firenena Kaokazy atsimo tamin'ny fahalalahan'ny Aterineto, dia mbola olana hatrany ny fandisoam-baovao. Nahazo isa 77 tamin'ny 100 i Georgia, ka nahazo ny laharan'ny lisitra “malalaka” izy tamin'izany.

Internet freedom improved in Georgia, due to no reported arrests linked to people’s online activity. However, several challenges related to the number of cyberattacks and domestic content manipulation were observed during the coverage period.

Nihatsara ny fahalalahan'ny Aterineto tany Georgia, noho ny tsy fisian'ny fisamborana amin'ny voalaza fa mifandraika amin'ny hetsika ataon'ny olona an-tserasera. Na izany aza, fanamby marobe mifandraika amin'ny isan'ireo fanafihana amin'ny aterineto sy fanodikodinana votoaty anatiny no voamarika nandritra ny fotoanan'ny fanaovana tatitra.

Armenia: misy fahalalahana

Nametraka an'i Armenia ho “malalaka” ny tatitra 2021, ary nahazo isa 71 tamin'ny 100 ny firenena, na eo aza ny fameperana ataon'ny governemanta amin'ny fizotram-baovao nandritra ny ady mitam-piadiana nifanaovana tamin'i Azerbaijan tamin'ny taona 2020.

The implementation of martial law in late September 2020 placed broad restrictions on the media’s ability to report on the fighting, including by banning speech deemed to endanger national security, permitting authorities to demand content removal, and mandating fines for noncompliance. A number of Turkish and Azerbaijani websites with .az and .tr domains were inaccessible for several weeks. Users also reported problems accessing TikTok. Prominent news sites also faced technical attacks, including distributed denial-of-service (DDoS) attacks, leaving many of them temporarily inaccessible during the conflict.

Nametraka fetra lehibe amin'ny fahafahan'ny fampitam-baovao mitatitra ny ady ny fampiharana ny lalàna miaramila tamin'ny faran'ny volana Septambra 2020, anisan'izany ny fandraràna ny fitenenana izay heverina fa mampidi-doza ny filaminam-pirenena, ka mamela ny manampahefana hitaky ny fanesorana votoaty, ary hampandoa onitra raha misy ny tsy fanarahan-dalàna. Tranonkala Tiorka sy Azerbaijaney maromaro mitondra vala .az sy .tr no tsy azo nidirana nandritra ny herinandro maromaro. Nitatitra ny olana amin'ny fidirana tamin'ny TikTok ihany koa ireo mpisera. Niatrika fanafihana ara-teknika ihany koa ireo tranonkalam-baovao malaza, ao anatin'izany ny fanafihana DDoS, ka nahatonga ny maro tamin'izy ireo tsy azo nidirana vonjimaika nandritra ny fifandonana.

Azerbaijan: tsy misy fahalalahana

Taona fahatelo, tamin'ny laharana “tsy malalaka” no nisy an'i Azerbaijan tamin'ny tatitra manerantany. Nosakanan'ny governemanta ny fidirana tamin'ny Aterineto nandritra ny 44 andro tamin'ny herintaona, raha nifanditra tamin'i Armenia noho ny faritany Nagorno Karabakh i Azerbaijan.

Nampiasa teknolojia fanaraha-maso mitsikilo ny olom-pirenena ihany koa ny firenena, ao anatin'izany ny Pegasus, novokarin'ny orinasam-panaraha-maso ny aterineto NSO Group. Nasongadin'ity tatitra ity ny fomba niarahan'ny Delta Telecom, mpamatsy tolotra aterineto niasa tamin'ny Sandvine, orinasa iray any Canada, hametraka ny teknolojia antsoina hoe Deep Packet Inspection hanakanana ny fandefasana mivantana amin'ny YouTube, Facebook, ary Instagram. Nampiasa ny teknolojia Deep Packet Inspection i Azerbaijan nanomboka tamin'ny taona 2009 farafahakeliny, araka ny tatitra niarahan'ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona sy ny Fanaraha-maso ny aterineto ao Azerbaijan namoaka tamin'ny fiandohan'ny volana Septambra.

Torkia: tsy misy fahalalahana

Ao Torkia, nahatonga ny firenena ho tafiditra amin'ny laharana “tsy misy fahalalahana” ny fitontonganan'ny fahalalahan'ny aterineto amin'ny ankapobeny tamin'ny taona fahatelo satria nahazo isa 34 amin'ny 100 izy.

Internet freedom continued to decline for a third year in a row in Turkey. During the coverage period, hundreds of websites were blocked, in some instances under a new social media law. Online content deemed critical of the ruling Justice and Development Party (AKP) or President Recep Tayyip Erdoğan was removed from websites and social media platforms, and online activists, journalists, and social media users were harassed both physically and online for their social media posts. Authorities arrested users of the online platform Clubhouse in response to student-led resistance at Boğaziçi University, targeted LGBT+ activists online, and arrested a prominent opposition party official for allegedly insulting the president. Criminal cases were carried out against those who posted undesirable commentary on social media, and the threat of online surveillance, harassment, and criminal penalties has contributed to the growing practice of self-censorship among internet users in Turkey. The proliferation of restrictive laws has further formalized censorship in the country.

Nitohy nijotso nandritra ny taona fahatelo nifanesy tao Torkia ny fahalalahan'ny aterineto. Nandritra ny fotoana nanaovana tatitra, tranonkala an-jatony maro no voasakana, araka ny lalàna vaovao mifehy ny tambajotra sosialy, amin'ny tranga sasany. Nesorina tamin'ny tranonkala sy ny sehatry ny tambajotra sosialy ny votoaty an-tserasera noheverina ho mitsikera ny antokon'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana (AKP) na ny filoha Recep Tayyip Erdoğan, ary nahazo fandrahonana ara-batana sy an-tserasera ireo mpikatroka an-tserasera, mpanao gazety ary mpisera ny tambajotra sosialy noho ny lahatsoratra tao amin'ny tambajotra sosialy. Nosamborin'ny manampahefana ireo mpisera ny sehatra anjotra Clubhouse ho setrin'ny fanoherana notarihin'ny mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Boğaziçi, nikendry ireo mpikatroka LGBT + an-tserasera izy ireo, ary nisambotra tompon'andraikitra malaza iray ao amin'ny antoko mpanohitra noho ny filazana fa nanala baraka ny filoha. Nisy ny raharaha heloka bevava nanamelohana ireo nandefa fanehoan-kevitra manaraby tao amin'ny media sosialy, ary nampiasaina ny fandrahonana amin'ny fanaraha-maso an-tserasera, ny fanorisorenana, ary ny sazy ho an'ny heloka bevava mba hanaovan'ireo mpisera ny aterineto fanivanan-tena any Torkia. Nametraka ny sivana ho ara-dalana tao amin'ny firenena ny fiparitahan'ny lalàna fameperana.

Raha niresaka tamin'i Bianet dia nilaza ny mpanoratra ny tatitra, ny Ivotoerana Eoropeana misahana ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana ho an'ny fampitam-baovao fa: “Ny hetra vaovao na ny fiakaran'ny hetra, ny famerana ny fidirana, ny famafana ny votoatim-baovao, ny fahaizana manidy ny fidirana amin'ny sehatra iray manontolo, ary indrindra indrindra ny fitazonana na fisamborana ny olona izay maneho ny fahalalahany maneho hevitra noho ny fanakianan-dry zareo amin'ny aterineto, sy ny faharesen-dahatry ny sasany amin'izy ireo, dia mampiseho fa mbola lavitra ny lalan'ny fahalalahana amin'ny aterineto ao Torkia.”

Notontosaina arakaraka ny valin'ny andiam-panontaniana miisa 21, izay nozaraina ho zana-panontaniana efa ho 100 amin'ny fitambarany ny filaharana amin'ny fahalalahana amin'ny aterineto sy ny isa azo. Nozaraina ho sokajy telo ny tatitra, ao anatin'izany ny sakana amin'ny fidirana, famerana amin'ny votoaty, ary ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpisera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.