Boji, ilay alika mampiasa fitateram-bahoaka mitety an'i Istanbul

 

Pikantsary nalaina tao amin'ny horonantsarin'ny Istanbul Metropolitan Municipality TV (IBB) .

Boji, ilay alika mpirenireny avy any Istanbul mampiasa fitateram-bahoaka handehanana manerana an'i Istanbul isan'andro.

Manahoana, izaho no Boji avy eto Istanbul ? ary mampiasa fitateram-bahoaka an'ny kaominina isan'andro aho tahaka ireo mponina ao Istanbul namako an-tapitrisany maro. Tongava ary arahabao aho raha hitanareo anaty bisy, na metro na sambo.

Manana kaonty Twitter sy Instagram mihitsy aza i Boji . Vao tsy ela akory izay no nisaotra ny ben'ny tanànan'i Istanbul Ekrem Imamoglu izy tamin'ny fanarahana azy tao amin'ny Twitter.

Ny anarany, Boji, dia avy amin'ny rafitra mamela ny fihodikodinan'ny kodiarana amin'ny fiara, izay toerana ipetrahany matetika rehefa mandeha fitateram-bahoaka.

Nanome toky ny Kaominina An-drenivohitra ao Istanbul (IMM) fa efa vita vaksiny ilaina rehetra izy. Alohan'ny namoahana azy hiverina eny an-tanàndehibe dia napetraka ny GPS hahafahan'ny mpiasan'ny kaominina manaraka ny misy azy.

Raha ny filazan'ny IMM, nahatratra 30 kilometatra ny dia nataon'i Boji farany teo tany Istanbul.

İstanbul's now famous urban dog Boji uses all types of public transport vehicles available in the city such as the subway, Marmaray, tram and ferry. İstanbulites from various and far districts of the city come across Boji on different occasions and share his images on social media.

Mampiasa ny karazam-pitateram-bahoaka rehetra misy eto an-tanàndehibe toy ny metro, Marmaray, tramway ary sambo ilay alika izay malaza ao an-tanàndehibe any İstanbul ankehitriny. Mifanena amin'i Boji amin'ny fotoana samihafa ireo İstanbolita avy amin'ny distrika samihafa sy lavitra ny tanàndehibe ary mizara ny sariny amin'ny tambajotra sosialy.

Efa nahazo mpanjohy maherin'ny 50.000 tao amin'ny Twitter i Boji. Misy hafatra mandrisika ireo mpampiasa fitateram-bahoaka hanaraka ny fitsipika momba ny fiarovana ny tanàndehibe ny lahatsoratra tsirairay, na ao amin'ny Twitter na ao amin'ny Instagram.

Ho fepetra fiarovana, tsy miampita ny tsipika mavo mihitsy aho. Tsy tokony hiampita izany ihany koa ianao.

Nizara ny fihaonany tamin'ilay alika ihany koa ireo mponina ao Istanbul izay mahita an'i Boji:

Mitaingina sambo kely aloha mba hijery vorona kely.

 

Feno ny andro androany. Nanomboka tao Fatih izahay, ary namakivaky an'i Bayrampasa, Basaksehir ary tonga tany Uskudar nony farany. Nisy vitsivitsy nahafantatra ahy. Ka naka selfie niaraka tamin'izy ireo aho.

Nilaza ireo mpandeha nifanena tamin'i Boji fa milamina sy hendry izy matetika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.