Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Jolay, 2017
Arabisc: Fitetezana An-tsary Ny Ao Afovoany Atsinanana
Isaky ny sary tsirairay mamintina be lavitra noho ny teny an'arivony ny hasarobidiny, miomàna hanao fitetezana kisendrasendra, izay afaka hamenoana pejy maro anaty boky. Ooops...ny tontolon'ny habaka mantsy no tiako ambara e.
Masoarabo: Mitohy ny Ady an'Aterineto ao Ejipta
Taorian'ny fanelingelenana, famotopotorana ary fitazonana ny bilaogera, dia mbola mitohy ny ady an'aterineto ao Ejipta, ary tany amin'ny tena mandratra mihitsy izany tamin'ity indray mitoraka ity - ny poketra! Tahaka izao no namalian'ny bilaogera ejipsiana ny fampakaram-bidin'ny aterineto izay hatomboka amin'ny volana septambra
Bahrain: Vonjeo Ny Marary
Dokotera no antonasany, nivalaketraka i Bahraini in Alaska nanoloana ny fomba tsy manaja ny maha-olona ikarakaràna ny sasany amin'ireo marary any amin'ireo hopitaly goavana ambany fitantanan'ny fanjakana ao Bahrain.
Arabisc: Asa Misokatra Ao Bahrain?
Bilaogera Bahrainita Silverooo, izay vao nahazo diplaoma tany amin'ny oniversite no mety mahazo ny lokabe ary hanambola be noho ireo nahazo diplaoma hafa mitovy taona aminy. Ny heviny? Ny torolalana hitanao ao ankavia - Asa Misokatra ho an'ireo Tsy Manan-traikefa.