Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Mey, 2019
Herinandro goavana tao Bahrain
Niaina fahafahana ara-politika vao haingana i Bahrain, firenena kely nanomboka tamin'ny Martsa 1999, rehefa nandray ny fitondrana ny mpanjaka vaovao, Shaikh Hamad bin Isa Al-Khalifa ary nanokana fahalalahana ara-pôlitika goavana, saika ny olom-pirenena Bahrainita sy ny mponina rehetra no lasa manam-pahaizana ara-politika! Nampitombo ny bilaogy ho 60 mahery izany.
Arabia Saodita:Tezitra noho ny fisamborana an'i Al Farhan ireo bilaogera
Mitohy hatrany manerana ny tontolon'ny bilaogy Arabo ny fanehoan-kevitra taorian'ny fisamborana ilay bilaogera Saodiana Fouad Al Farhan, izay mbola tsy fantatra ny fiampangana azy.
Bahrain: ‘Tetidratsin'ny Mpampihorohoro’ miteraka tsy fahatokiana
Taorian'ny fanadihadiana iray niteraka adihevitra mikasika ny nahitàna ny "toby iray fanofanana mpampihorohoro" tany amin'ny iray tamin'ireo vohitra Shiita tao Bahrain, Bani Jamra, blaogera Bahrain, Mahmood Al Yousif no manoratra lahatsoratra iray manesoeso milaza ny fankasitrahana ny Minisitry ny Atitanin'i Bahrain noho ny fanovana an'i Bahrain ho toerana azo antoka