Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Marsa, 2016
Nosamborin'i Bahrain Niaraka Tamin'ny Zanany Vao Herintaona Monja i Zainab Al Khawaja, Mpikatroka Mafàna Fo
Nosamborin'i Bahrain androany niaraka tamin'i Abdul-Hadi, zananilahy vao 15 volana ilay mpikatroka mafàna fo, Zainab Al Khawaja. Fisamborana mitranga ao anatin'ny fotoana fankalazàna ny tsingerintaona fahadimy nahatongavan'ireo andian-tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra hanorotoro ireo hetsipanoherana nitaky ny demaokrasia izay nahazo ny firenena
Any Bahrain, Heloka Bevava Ny Asa Fanaovana Gazety
Voasambotra niaraka tamin'ireo ekipany i Anna Therese Day, Amerikana mpanao gazety, ary voaroaka tao amin'ilay firenena mikorontana raha teo am-pankalazàna ny tsingerintaona fahadimin'ny hetsika io firenena io.
Ao Bahrain, Ranomaso An'arivony Ho An'ny Fihina Iray
Nampiaka-peo tao amin'ny Twitter mitaky ireo fomba fiaina mendrika kokoa ho an'ireo malalany izay tàzany any ambadiky ny sakana fitaratra mandritra ny fitsidihana azy ireny, ireo fianakavian'ny Bahrain sasantsasany gadra politika tombanana ho miisa 4.000.