Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Jolay, 2018
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto

Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!
Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?
Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny fanomezandalana avy amin'ny fanjakana.
Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona
Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany.
Bahrain: Navotsotra ilay bilaogera rehefa nandoa onitra!
Bilaogera Bahrainita malaza Mahmood Al Yousif namaritra ministra iray ho 'adala'. Nitory ity bilaogera ity avy eo ilay minisitra, ka nampanantsoin'ny CID izy omaly.
Arabiska: Bilaogera Iray Nosamborina.. Mbola Misy 1000!
Toy ny tsy misy ny herinandro tsy misy olana ho an'ireo Ejipsianina sy ny bilaogerany.