Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Mey, 2017
Emirà Arabo Mitambatra: Lahatsary Mampihoro-koditra Nanafintohina Izao Tontolo Izao
Tamin'ny herinandro lasa, nisy lahatsary manjavozavo efa tamin'ny taona 2005 nivoaka lohatenim-baovao, ary nanafintohina izao tontolo izao. Ny lahatsary, izay navoaka voalohany tao amin'ny ABC News ao Etazonia dia nampiseho an'i Sheikh Issa Bin Zayed al-Nahyan - rahalahin'ny Printsy Sheikh Mohammed ao Emirà Arabo Mitambatra -mampijaly Afgàna mpamboly.
Bahrain, Omàna: Ny Fiainan'ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra
Ireo mpiasa mpila ravinahitra, ny ankamaroany avy any Azia Atsimo, no mandrafitra ny ampahany betsaka amin'ny vahoaka any amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa. Ato anatin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny fiainan'ireo olona roa izay tonga hiasa tany amin'ny Gôlfa.
Bahrain: Ramadany Iray sy Eid Iray
Miankina amin'ny fijerena ara-bakieny ny volana vaovao ny fiandohan'ny volana masin'ny Ramadany, miteraka datin'andro samihafa ho fanombohana azy any anivon'ireo sekta Miozolmana isankarazany. Tamin'ny taona 2009 ny Sionita sy ny Shiita tao Bahrain dia niaraka nanomboka ny volana taminà andro iray - ary nankalaza izany firaisana tsy fahita firy izany ny bilaogera iray.