Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Marsa, 2012
Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1
Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona Kareem dia mitondra fanazavana amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Tewitter mba hisarihana ny saina hibanjina azy ity.
Tontolo Arabo: Tratry ny Fetin'ny Vehivavy – Fahatsiarovana Ireo Reny Maritiora
Manamarika ny andron'ny fetin'ny reny ny tontolo Arabo androany, 21 Martsa. Ao amin'ny tranonkala tambajotra-tsosialy, nandefa fiarahabana ho an'ny reniny ireo mpiserasera androany tontolo andro. Nahatsiaro ireo reny an'arivony maty novonoin'ny...
Bahrain: Aiza i Ali Abdulemam?

Koa satria manopy maso isan'andro ny hafatra sy fanamarihana ao amin'ny pejiko Facebook aho, dia manopy maso koa ny mombamomba an'i Ali Abdelemam. Isanandro dia manontany tena aho raha misy lahatsoratra avy any aminy. Isan'andro dia manopy ny masoko aho amin'ny rindriny mba hijery izay lahatsoratra sy sary avy amin'ny fianakaviany, ary manantena farafaharatsiny mba afaka mahalala zava-bitika mikasika azy. Manontany ireo namana sy mpiara-mifarimbona amiko ao Bahrain mikasika an'i Ali aho, ary dia tsy misy mahalala izay niafarany ny olona. Manontany tena aho hoe mba aiza izao i Ali amin'izao fotoana. Ali, raim-pianakaviana niteraka telo, nanjavona ary namela antsika haminany izay niafarany. Inona no antony nanjavonany?
Bahrain: Vonjeo Amin'ny Ataon'ny Fitondrana ny Zanaky Ny Bahrainita
“Isika rehetra no mizaka ny heloky ny fitondrana”, izany no hafatry ny mpiserasera Bahrainita izay nampisongadina izany amin'ny alalan'ny tenifototra ampiasaina isan'andro ao amin'ny Twitter. Ny tontolon'ny Twitter ao Barhain no...
Bahrain: Hetsi-panoherana Goavambe Manohitra Ny Fitondrana
“Miala miala Hamad” no antsoantson'ireo vahoaka an'arivony manohitra ny mpanjakan'i Bahrain Hamad, nobahanan'izy ireo ny arabe midadasika ao Bahrain, akaiky ny fihodikodinana Pearl, famantaran'ny revolisiona Bahrain. Ity diabe goavambe ao amin'ny...
MENA: Sarimihetsika Salafista Sahala Amin'Inona no Hojerenao?
“Ny zavakanto rehetra dia vokatry ny fotoana namoronana azy, ary mitaratra io fotoana io raha tiany ilay izy na tsia, eny fa na dia miezaka ny hitsoaka izany aza izy...