Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Febroary, 2011
Bahrain: Fanambarana ofisialy ny Andro Fisaonana
Androany no manamarika ny andro faha-10 amin'ny tolona Andron'ny Hatezerana any Bahrain. Rahampitso no manamarika ny andro fisaonana ho an'ireo izay namoy ny ainy tamin'ireo mpitandro filaminana sy miaramila nanafika ny mpitolona.
Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana
Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho 'Andro iray Fisaonana' an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011. Misaintsaina ny amin'izay andro izay ireo mponin'ny aterineto.
Bahrain: Zara raha niova ireo Ministera
Nambara ireo fanovàna minisiterialy tany Bahrain ny alina lasa mba hampitony ireo mpanohitra miantso ny fanavaozana hatramin'ny 14 Febroary. Ireto misy fihetseham-po mlikasika ireo fanovàna ireo, izay mbola tsy voalaza ofisialy.
Bahrain: Ny “meme”-n'ilay lehilahy nihiaka TAKBEER
Vokatra tsy nampoizina tamin'ireo hetsi-panoherana nandritra ny Andron'ny Fahatezerana izay mbola mitohy any Bahrain, niara-nivondrona ireo mampiasa ny media sosialy ary namorona ny "meme" voalohan'i Bahrain : ilay lehilahy nihiaka "TAKBEEER"
Serbia: Fihetseham-po noho ny Tantaran'ireo Serba Mpikarama an'ady Any Libya
Raha ny azo avy amin'ny loharanom-baovao sasany, dia nandray anjara tamin'ny fandarohana baomba ny mpanao fihetsiketsehana Libiana ny mpanamory fiaramanidina Serba. Nadikan'i Sasa Milosevic ny fihetseham-po vitsivitsin'ireo Serba mponina amin'ny aterineto momba ity tsaho ity
Bahrain: Fitifirana ireo mpitolona amin'ny bala tena izy (Video)
Nitobatobaka manerana ny vohikalan'ireo media sosialy ireo tatitra fitifirana tany amin'ny faritra maro tany Manama, renivohitr'i Bahrain nandritra ny 18 Febroary 2011 tolak'andro. Ireo Video nalaina tany amin'ny faritra samihafa dia tsy vitan'ny sady mampiseho ny fotoana nisy ny fitifirana, fa koa ireo nijaly noho izany taoriana (FAMPITANDREMANA: sary mahery).
Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana
Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny feon'ny mpanohitra. Ireto misy fihetseham-po avy amin'izao tontolo izao manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra
Bahrain: Afaka ilay Bilaogera Ali Abdulemam
Ela ny ela fa dia tafavoaka ny fonja ihany ilay blogger Jailed Bahraini Ali Abdulemam. Ampifaliana no nandraisan''ireo mpankafy azy manerantany izany vaovao izany, ra iny tazany tamin'ny alalan'ny an-tserasera iny ny sariny notsenain'ny fianakaviany sy ny namany.
Bahrain: Niteraka Haromontana sy Tsy Fitokisana ny Vaovao Mikasika Ilay Fanafihana Tamin'ny Vao Mangiran-dratsy
Raha nifoha maraina handeha hamonjy ny toeram-piasana ny vahoaka rehetra manerana an'i Bahrain androany (Alakamisy faha 17 Febroary, 2011) dia taitra raha naheno vaovao mikasika ny fanafihana nataon'ny mpitandron'ny filaminana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy an'ireo mpanohitra ny governemanta izay nilasy tao Fihodinan'i Lulu renivohitr'i Manama. Nitobaka ny fanehoana haromontana, tahotra sy tsy finoana ny zava-nitranga tao amin'ny vohikalan'ireo tambazotra sosialy Facebook sy Twitter.
Bahrain: Fankatoavana ireo Maritiora
Hatramin'ny Asabotsy, nanao fihetsiketsehana tamim-pilaminana sy tamin-kalalahana ireo mpanohitra ny fanjakana tany amin'ny Rondpoint Pearl (Lulu). Manamarika ny andro fahavalon'ny Andron'ny hetsi-panoherana mifono hatezeran'i Bahrain androany, satria dia nanao diabe avy any amin'ny tranobe fivarotana any Bahrain ka hatrany amin'ny Roindpoint Pearl (Lulu) ho mariky ny fankatoavana ireo maritoira valo niamboho nandritra io hetsi-panoherana io.