Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Masoarabo: Mitohy ny Ady an'Aterineto ao Ejipta

(Marihina fa nivoaka tamin'ny 26 jolay 2007 ny lahatsoratra tamin'n teny anglisy)

Taorian'ny fanelingelenana, famotopotorana ary fitazonana ny bilaogera, dia mbola mitohy ny ady an'aterineto ao Ejipta, ary tany amin'ny tena mandratra mihitsy izany tamin'ity indray mitoraka ity – ny poketra!
Tahaka izao ny setriny nataon'ny bilaogera ejipsiana taorian'ny fandrenesana ny fiakaram-bidy izay atomboka amin'ny septambra.

Nanoratra i Mohammed Al Jaberi:

الحكاية باختصار إن من أول سبتمبر هيكون وقت النت المسموح بيه ستين ساعة في الشهر بمعني ساعتين في اليوم أو تحميل اتنين جيجا في الشهر .. متخيل ؟
والتمن هيبدأ من 45 جنيه واللي عاوز يزود عدد الساعات هيدفع أكتر وهتكون المحاسبة بصورة خيالية بدل العشرين أو الخمسة وعشرين اللي بندفعهم وكل شقة هيكون ليها خط مستقل وتخيل يعني الموقف
..
فيه حملة لإرسال خطابات للاعتراض علي اعتماد النظام ده – اتكتبت خلاص وهتلاقيها في اللينك الجاي – خطابك انت ممكن يعمل إسهام . مش عاوز أقول كلام خطابة لكن بالمنطق معني إنك مابترسلش إنك بتبتر جزء من قوتنا وإنك بتضيع حقك اللي بيصب في الآخر في خانة حقوقنا .. اللي هي كالعادة بيحاولوا يسلبوها مننا
Raha afohezina ny tantara dia manomboka amin'ny voalohany septambra izao, dia mahazo 60 ora isam-bolana ny mpiserasera. Ny dikan'izany dia roa ora isan'andro na mitroka 2 gigas… Azonao raisina an-tsaina ve izany? Ny sara dia manomboka amin'ny 45 livra ejipsiana (5.8€)  ary izay te-hahazo ora maro kokoa dia tsy maintsy mandoa bebe kokoa. Tsy azo nosainina mihitsy izany sara izany raha ampitahaina amin'ny 20 na 25 livra aloantsika ankehitriny. Hanana ny taribiny manokana ny trano tsirairay avy ary azonao eritreretina ny ho dikan'izany…
Misy ny fanentanana handefa taratasy fanoherana izany rafitra izany. Efa voasoratra ny taratasy ary efa vonona ary azo alaina amin'ny alalan'ny rohy etsy ambany. Mety hanova zavatra ny taratasinao. Tsy te-ho lava taria aho fa raha tsy mandefa taratasy ianao, dia midika izany fa manimba ny ezaka ataonay ianao ary tsy miraharaha ny zonao sy ny zonay ihany koa mazava loatra.. ary izany hatrany anefa no tian-dry zareo esorina amintsika.

Mandrisika ny mpamakiny ihany koa izy hitaraina amin'izay manjò azy ireo ato amin'ity tranonkala ity, izay itarihan'i Bunduqa fanentanana hanoratra taratasy iray tapitrisa ho fanoherana ny tolotra vaovao. Hoy i Bunduqa momba ny fanentanana :

حمله المليون خطاب
انا لقيت موضوع في منتدى عن اننا نبعت مليون خطاب – رسالة يعني – لاكبر قدر من الجهات المسؤولة و الغير مسؤولة … و العامة و الخاصة عشان الموضوع ده …
و يا جماعة بجد لازم نكون ايجابيين عشان كدا استهبال بغباء … دي رسالة مش هتتعبك يعني … و مش هتاخد اي مجهود …
و بالله عليكوا مش عاوز يطلعلي واحد يقولي ده ممنوش فايده و احنا مش بادينا حاجة … و كل ده مش هيعمل حاجة …. احنا هنبعت لكذا جهة يعني ان شاء الله يكون في نتيجة …
حاول يمكن ينفع ..
Fanentanana taratasy iray tapitrisa:
Nahita ity lahatsoratra ity tao amin'ny dinika iray aho handefasantsika taratasy iray tapitrisa amin'ireo manampahefana ofisialy na tsy ofisialy… amin'ny sarambambem-bahoaka ihany koa… hivondrona hifanohana manoloana ity raharaha ity..
Atao resaka razokiny fa tokony hanao zavatra isika… satria mihevitra antsika ho adala ry zareo..taratasy tsy handreraka anao ity… ary tsy hanao ezaka be ianao…Tsy te-handre avy aminareo aho hoe tsy misy dikany izany ary tsy manana na inona na inona isika… ka hoe tsy hamaha ny olana izany… Hanoratra amin'olona maro isika.. ary antenaina fa hisy vokany izany…
Andramo. Mety hahomby izany…

Manaraka izany ny tsonga avy amin'ny taratasy:

نحن جميعا مقدرين لسبب هذه المبادرة وذلك لردع ال
internet connection sharing
ومن يستغلون الانترنت للكسب غير المشروع من خلال توصيل الشبكات الى
المنازل المجاورة عبر الشبكات السلكية واللا سلكية
ولكن سيدي انتم هكذا لستم فقط ستردعون هؤلاء الفئة ولكنم ستردعون جميع المستخدمين امثالنا من هما متتضرين من تلك المبادرة
بالعكس قرراكم هذا فيه مصلحة شخصية لمن يسموا بكبار موئسسي تلك الشبكات ال internet connection sharing
حيث انهم سيتجهون للانترنت بسرعه 2 ميجا وستزيد نسبة توزيعهم وشبكاتهم
ناسف للاطالة ولكن مانطلبه هو الابقاء علي unlimited internet packages
حفظا لحقوقنا بالتمتع بخدمات الانترنت ومسايرة العصر ومواكبة تطوراته و بالاضافة الي طرح تلك المبادرة وذلك توجها لتلك الفئة من هم من مستخدمي الشبكات المحظور انشاءها وهم بكل تاكيد سيجدون في تلك الباقة مايسرهم لانها افضل بكثير لهم من استخدام الشبكات هذه بما لها من عيوب جمة
نرجو سرعه التوضيح وتعديل القرار
Takatray ny antony hampidirana ity rafitra ity ka mamarana hatreo ny fifampizarana aterineto sy ireo mihoa-pefy amin'ny aterineto mahazo vola tsy ara-dalàna amin'ny alalan'ny fandrohizana ny tambajotran'ny mpifanolo-bodirindrina aminy amin'ny alalan'ny tariby na onjam-pifandraisana. Nefa andriamatoa, hanasazy ny mpisera aterineto rehetra tahaka anay izany rafitra vaovao izany izay hiaritra amin'ny fampidirana sara vaovao. Etsy andaniny koa anefa dia hahazoan'ny mpampiasa vola izay efa nametraka fifampizarana aterineto tombony ity rafitra vaovao apetrakareo ity satria hampiasa ny halakin'aterineto 2 mega ry zareo ka hampitombo ny tambajotrany. Mitaky izahay ny hamerenana ny famandrihana aterineto tsy voafetra hiantohana ny zonay hiditra aterineto sy haharaka ny fandrosoana. Ny tokony ataonareo dia ny hiady amin'ireo mampiasa aterineto amin'ny fomba tsy ara-dalàna. Miandry fanazavana haingana (avy amin'ny manampahefana) izahay sy fanitsiana amin'ity fanapahan-kevitra ity.

Nisy tatitra tranga-toe-javatra tahaka izao ihany koa any Bahrain tamin'ny volana jona tamin'ny herintaona. Mbola manohy ny asany ny Boycott Batelco, tranonkala iray norafetina teo am-pandrenesana ny fiakaram-bidy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.