Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Febroary, 2013
Zazalahy, 16 Taona, Maty Tamin'ny Fankalazana Ny Faharoa Taonan'ny Hetsi-Panoherana Tao Bahrain
Ny 14 Febroary 2013 dia zazalahy iray 16 taona no maty tao Bahrain nandritra ny fankalazana ny faharoa taonan'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana nihanaka be tamin'ny endrika Lohataona Arabo nanerana ny firenena. Ny fahafatesany, voalaza ho noho ny ratra nateraky ny tifitra, dia niteraka hatezerana ety anaty aterineto - sy teny an-dalambe.