Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Marsa, 2011
Bahrain: Nosamborina ilay Bilaogera Malaza Mahmood Al-Yousif
Taorian'ny tamin'ny 3 ora maraina, ora any an-toerana, dia nosamborina tao an-tranony ilay bilaogera malaza Mahmood al-Yousif. Ni- tweet izy alohan'ny nialany tao an-trano miaraka amin'ireo polisy: Ato amiko ny polisy Bilaogera...
Bahrain: Ny Anjara Raisin'Ireo Mpila Ravinahitra
Tahaka ireo firenena rehetra mpikambana ao amin'ny GCC (Gulf Cooperation Council), dia miankina betsaka amin'ny herim-pamokarana avy any ivelany i Bahrain, indrindra indrindra fa ny avy any amin'ireo firenena ao Azia Atsimo, na izany ho an'ireo asa mila fari-pahaizana ambony na ny salantsalany. Raha araka ny fanisàna natao tao Bahrain tamin'ny 2010, manome ny efa ho 51 isan-jaton'ireo hery afaka mamokatra amin'ny mponina 1.2 tapitrisa ao Bahrain ny mpiasa nafarana.. Indiana iray mpila ravinahitra no mizara ny fahitany ao anatin'ity lahatsoratra ity.
Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy
Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.
Bahrain: Diary an-dahatsary ny herisetran'ny polisy
Raha mbola mitodika any Libya ny haino aman-jery sy ny fihodin'ny tantara any, dia mamely mafy ny mpanao fihetsiketsehana mitady demokrasia kosa ny ny fitondrana any Bahrain. Dimy no maty...
Bahrain : Tsy hita i Ali Abdulemam

Vao avy nandray vaovao mampalahelo avy amin'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona Bahrainita izahay fa: tsy hita i Ali namanay sy mpiara-miasa aminay. Ali Abdulemam, bilaogera fitaratra sy mpanoratra ao amin'ny Global...
Bahrain: Nambara ny tsy fahazoana mivezivezy sy fandevenana manamboninahitra
Alarobia tolakandro, fanambarana fahaefatra nolazain'ny Tafika Bahrain fa hampiharina ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina mandrapisian'ny fanambarana manaraka. Maro ny nanatrika ny fandevenana polisy maty nandritra ny fotoam-piasany.
Bahrain: Fanafihana mahery vaika!
Naparitaka androany maraina (16 marsa) ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny fiodidinan'i Pearl ao Bahrain(Lulu), miaramila sy polisy no nanao fanafihana mahery vaika tamin'izy ireo. Nitatitra ny Mpiserasera fa nitifitra tamin'ny...
Bahrain: Nambara ny Fepetra Amin'ny Tany Latsaka an-katerena
Ny Talata 15 Martsa 2011, izay iray volana taorian'ny fiatombohan'ny fanoherana izay nitranga tao amin’ny Manama renivohitry Bahrain ny 14 Febroary, dia nanambara ny Mpanjaka Hamad bin Isa Al-Khalifa fa hametraka Lalana momba ny Filaminam-pirenena, izay hanome fahefana feno ny tafika mba hiaro ny firenena.
Bahrain: Famoretana Tanaty Rà Mandriaka Hatrany an-Tanàna
Tamin'ny Talata, talohan'ny nanambaràn'ny Mpanjaka Hamad bin Isa Al-Khalifa ny Lalàna momba ny Filaminam-pirenena manome fahefana ny tafika sy ny hery hafa haintoka ny filaminan'ny firenena, ny polisy hanao herisetra sy faneriterena eran'ny tanàna maro ao amin'ny faritra afovoan'i Bahrain.