Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Jolay, 2014
Sorena Ny Miozolomana Shiita Ao Bahrain Fa Manohana Ny ISIS Ireo Mpanao Politika sy Mpitoriteny
Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2011, nitaraina noho ny fanavakavahana ara-politika sy ara-toekarena tao amin'ny firenena ahitana mponina 1,3 tapitrisa ny Bahrainita, izay Miozolomana Shiita ny ankamaroany, saingy mampiseho fironana tsy an-kiato mankany amin'ny fanavakavahana feno ireo zava-nitranga farany.
Toa Adinon'ny Minisitry Ny Raharaham-bahiny Bahrainita Ny Fampijaliana Ireo Mpanao Gazety Ao Amin'ny Fireneny
Nolavin'i Bahrain ny fidiran'ireo mpanao gazety iraisampirenena marobe tao amin'ny firenena mandritra ny famoretana mahery vaika amin'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Anjatony no namoy ny ainy ary an'arivony no nogadraina hatramin'ny nipoahan'ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Febroary 2011, nanempotra ny fahalalaham-pitenena ny fitondrana jadona sonita -.ary mbola manohy manao izany.
Ankoatra Ny Lohatenin'ny Mondialy: Ranomaso ao Brezila, Etona Mandatsa-dranomaso ao Bahrain ary Voina any Qatar
Mila mahafantatra zavatra mihoatra noho ny football ianao hahatakaranao ny Mondialy. Manolotra ny vaovao lehibe eo amin'ny resaka fahalalaham-pitenenana sy zon'olombelona i Deji Olukotun.
Noroahin'i Bahrain Ny Iraka Manokana Amerikana Misahana Ny zon'Olombelona
Bahrain, anjakan'ny fianakaviana Sonita al-Khalifa, no mitsena ny tsikera eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona hatramin'ny namotehan'ny miaramila ny hetsi-panoherana notarihan'ny Shi'ita manohitra ny governemanta tamin'ny 2011.
Faly Tamin'ny Faharesen'i Brezila Tamin'ny Fiadiana Amboara Erantany Ny Arabo
Faly Tamin'ny Faharesen'i Brezila Tamin'ny Manasa-dàlan'ny Fiadiana Amboara Erantany Ny Arabo
Tonga Hatrany Bahrain ny Fampihorohoroana Isam-paritra
Niteraka fifanoheran-kevitra teo amin'ny firenena, izay efa mangotraky ny tsindry hazo lena ara-sekta, ny vaovao manasongadina fa hitsidika an'i Bahrain ilay Saodiana mpitari-pivavahana henjam-pihetiksa, Mohamad Al Arefe.
Nosamborina i Takrooz, Bilaogera Bahrainita Mpanaraby
Nosamborina ilay Bahrainita bilaogera mpanaraby, Takrooz izay voampanga ho "nitarika fankahalana ny fitondrana." Miaka-peo ny mpiserasera ary milaza fa izy ireo no Takrooz manaraka.