· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Avrily, 2018

Tatitra avy amin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Jôrdaniana

Tsy fantatrao mihitsy izay olona hipoitra any amin'ny fihaonanà bilaogera. Tsy vitan'ny hoe lasa sasany amin'ireo bilaogera tsara indrindra ao Jôrdania fotsiny ny fihaonan'ny bilaogera Jôrdaniana - ezaka iraisan'ny Jordan Planet/Global Voices - fa lasa kintana goavana avy ao Bahrain sy Egipta ihany koa.

25 Avrily 2018

Arabeyes: Alahelo An'i Bhutto

2007 - Tamim-pihetseham-po no nandraisan'ny tao Afovoany Atsinanana ny vaovao momba ny fahafatesan'ny Praiminisitra Benazir Bhutto. Tamim-pitandremana, fahatairana, fahatezerana ary fanekena ny tsy fisian'ny fanantenana ho an'ny taranak'olombelona no nanehoan'ireo bilaogera ny heviny.

19 Avrily 2018

Bahrain: Kamo Ve Ny Arabon'ny Golfa?

Tamin'ny fiandohan'ny herinandro farany ho an'ny Janoary 2008, nitafatafa tamin'ny gazetin'ny firaisambe arabo mpiseho isanandro "Asharq Al-Awsat" ny minisitry ny asa Bahraini, Majid Al Alawi, ary nolazainy tao amin'ilay resadresaka fa miatrika 'tsunami aziatika' ny Golfa satria 'kamo' sy 'simba' ary miankina amin'nireo mpiasa afarana avy any ivelany ireo teratany ao Golfa amin'ny fanaovana na dia ny asa tsotra aza. Nambarany fa ireo mpiasa vahiny manodidina ny 17 tapitrisa ao Golfa, aziatika ny ankamaroany, dia ho 'loza ratsy kokoa noho ny baomba atomika na ny fanafihan'ny israeliana'. ahoana ny eritreritr'ireo mpitoraka bilaogy bahraini ?

16 Avrily 2018