· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Septambra, 2012

Bahrain: Efa Raràna Fa Mbola Manohy Ny Hetsi-panoherana Ny Mpanohitra

  12 Septambra 2012

Taorian’ny fiatoana naharitra telo volana mahery noho ny fandàvan’ny minisiteran’ny Atitany  (MOI) hanome fahazoan-dalana ny fihetsiketsehana na diabe kasain’ny mpanohitra atao, notontosain’ny fikambanana ihany ny famoriam-bahoaka faharoa tao amin’ny araben’i Manama, tamin’ny Zoma lasa teo [7 Septambra 2012].  Nanambara tao amin’ny Twitter ny MOI fa tsy nahazoan-dalana ny famoriam-bahoaka ka...

Bahrain: “Vehivavy Mafy Toy Ny Vy Ny Vehivavintsika”

  11 Septambra 2012

Nihataka kely tamin'ny politika indray aloha ny Bahraini mpampiasa Twitter ary nandany andro ny maraina teo (3 septambra) tao amin'ny tambajotran'ny fitoraham-bilaogy sosialy kiritika. Namaky lahatsora-baovao ilay mpanakanto Anas Al Shaikh izay milaza fa namono tena ity vehivavy Irakiana iray ho fanoherana ny fijerem-badiny andian-tantara mitohy Tiorka amin'ny fahitalavitra. Mamaly ny vehivavy Bahraini fa tsy hanao zavatra sahala amin'izany mihitsy izy ireo satria ... izy ireo dia vehivavy mafy toy ny vy.

Libanona: Ny Fizahan-Tany No Mandoa Be

  08 Septambra 2012

Ny korontana politika vao haingana tany an-toerana sy ny fakàna olona an-keriny any Libanona no mampandositra ny mpizaha tany, indrindra ireo avy any Golfa. Naneho hevitra ny amin'ny fivoaran-draharaha ireo mpiserasera amin'ny aterineto

Bahrain: Kaonty Twitter Malaza Anà Mpanohana Ny Governemanta Nanjavona

  01 Septambra 2012

Gaga ny mpisera Twitter ao Bahrain raha nahatsikaritra ny fanjavonan'ireo kaonty twitter tsy fantatra anarana roa goavana indrindra izay mpanohana ny governemanta, kaonty Twitter izay navitrika indrindra nandritra ny fikomiana tamin'ny herintaona. Roa herinandro mahery izao no tsy ni-tweet ny kaonty @7areghum sy @alfarooo8; tamin'ny sioka farany nalefan'izy ireo, nilaza izy ireo fa...