Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Marsa, 2019
Bahrain: Falifaly ireo mpankafy Ferrari satria nandresy tamin'ny Grand Prix Bahrain i Alonso
Tapitra ny fifaninanana voalohany Formula One 2010 ary mety efa niverina tao amin'ny Kianja Iraisam-pirenen'i Bahrain, the Sakhir dezera ny vovoka saingy mitohy hatrany ny resabe.
Fitondram-panjaka tokana ao Bahrain: Fahavalon'ny aterineto
Tamin'ny herinandro ny manampahefana Bahrainita nisambotra ny Filohan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao Bahrain, Nabeel Rajab rehefa niverina avy any Libanona tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Bahrain izy.
Nabeel Rajab: Misioka avy any am-ponja!
Nosamborina indray i Nabeel Rajab, filohan'ny Foibe momba ny Zon'olombelona ao Bahrain, izay navotsotra vonjimaika tamin'ny herinandro lasa. Tahaka ny farany teo, nogadraina noho ny famoahana izay heverin'ny governemanta Bahrainita fa lahatsoratra manevateva tao amin'ny kaontiiny Twitter i Nabeel Rajab. Vokatr'izany, dia hogadraina mandritra ny 7 andro izy.
Mahatsiaro rahonan'ny bilaogera ny fitondrana ao Afovoany Atsinanana
Raha mahatsiaro i Ejipta "afaka" fa tokony hatahorana ny bilaogera, inona no azontsika antenaina amin'ireo olon-kafa izay mbola mirehareha amin'ny didy jadon'izy ireo?
Bahrain: Bilaogera malaza voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina miaraka amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona hafa
Sivy volana taorian'ny fisamborana ilay bilaogera malaza sady mpikatroka ny zon'olombelona Ali Abdulemam sy ireo mpikatroka hafa momba ny zon'olombelona sy ny politika tany Bahrain, dia nanameloka azy higadra 15 taona an-tranomaizina ny fitsarana miaramila.
Bahrain: Mibilaogy ihany koa ireo mpikatroka mpomba ny governemanta
Mba miditra an-tsehatra ihany koa ireo bilaogera mpomba ny governemanta sy mpomba ny ireo mahazo toerana hanome endrika hafa ao anatin'ny adihevitra.
Bahrain: Nosamborina tamin'ny fomba feno herisetra ilay bilaogera Zainab Al-Khawaja
Nosamborina tamin'ny fomba feno herisetra tamin'ny alakamisy ilay bilaogera Bahrainita, Zainab Al-Khawaja, zanakavavin'ilay mpanohitra malaza sady mpikatroka ny zon'olombelona, Abdulhadi Al-Khawaja, izay voasazy higadra mandra-pahafatiny tamin'ny volana jona lasa teo.