Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Novambra, 2012
Bahrain: Iza no naheno ny fanapoahana baomba ary iza no niharany?
Nilaza ireo manamboninahitra ao Bahrain androany fa mpiasa vahiny roa no maty ary ny fanintelony naratra mafy nandritra ny fanapoahana baomba dimy samihafa tany amin'ny faritr'i Gudaibiya sy Adliya, any amin'ny renivohitra Manama. Tao amin'ny Twitter, tamin'ahiahy ihany no nandraisana izany vaovao izany niaraka tamin'ny antso ho an'ny vahaolana ara-politika mba hanatsaharana ny korontana any amin'ny firenena, taorian'ireo tolona manohitra ny fitondràna izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011.
Enim-bolana am-ponja no sandan'ny opa atao amin'ny mpanjakan'i Bahrain amin'ny siokan-tseratsera
Ny iray tamin'ireo mpisiokan-tseratsera efatra izay voatana [en] any Bahrain ka natao fanóavana ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain, dia naharay androany ny didim-pitsarana manameloka azy enim-bolana am-ponja. Araky nampitain'i Mohammed...