Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Febroary, 2019
Bahrain: Miantso ny Fandroahana ireo Tia ny Mitovy Fananahana aminy ireo Solombavambahoaka
Mivoaka amin'ny fahanginana dia mivoaka ny firenena ihany koa? Entin'i Ayesha Saldanha amintsika ny fanehoankevitr'ireo bilaogera momba ny fiadian'ireo solombavambahoaka Bahrainita hametrahana lalàna iray vaovao hanakanana ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana ao an-toerana sy handroahana ireo vahiny mpila ravinahitra ka tia ny mitovy fananahana aminy.
Bahrain: Mandrahona ny fikatrohana antserasera sy manakana tranonkala marobe

Nandrahona ny fikatrohana antserasera indray ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny kolontsaina Mai Alkhalifa tamin'ny tafatafany voalohany tamin'ny BNA (Bahrain News Agency) izay izy ihany no mitantana azy ary nilaza fa dingana voalohany ny fanakatonana ary mety handray fepetra bebe kokoa izahay mba hampihatra ny fitsipika "
Bahrain: Ireo tranonkala marobe nasakanana

Tranonkala marobe no nakatona tao Bahrain, taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao. Ny hetsika farany dia ahitana ny Google Translate, ireo vondrona ara-tsosialy, ara-pivavahana, ara-pôlitika sy zon'olombelona tsy azo nidiran'ny olona any Bahrain.