Tantara mikasika ny Venezoela tamin'ny Septambra, 2016
Miteraka Ahiahy Momba Ny Fahalalahana Miteny Ao Venezoela Ny Fitazonana Am-ponja ilay Talen'ny Tranonkalam-Baovao
Nosamborina sy nampangaina ho manao fanadiovana vola maloto ilay mpisolovava sady mpanao gazety, Braulio Jatar, saingy mino ireo mampiasa tambajotra an-tserasera sy mpanao gazety fa ny tatitra nataony momba ny hetsi-panoherana manohitra ny filoha Nicolas Maduro no tena antony.
Mihahenjana Ny Toe-Draharaha, Mikarakara Fihetsiketsehana Ao An-Drenivohitra Ny Mpanohitra Ao Venezoelà
Niteraka disadisa teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny fanomanana ny fidinana an-dalam-be tamin’ny 1 Septambra teo. Mandritra izany fotoana izany dia nanome vaovao ara-potoana ny tambajotra, ny fampitam-baovao tsy miankina ary ny mediam-bahoaka .
Firaisan-tsaina amin'i Afrika : Fankalazana ny Fahasamihafana Ao Venezoela
Tamin'ny Andron'ny Fitambaram-pomba, samy nanandratra ny fototra afrikana amin'ny kolontsain-dry zareo na ny Venezoelana an-tanindrazana na ny Venezoelana Ampielezana noho ny fampielezana lahatsary iray mampiaraka ny fomban-drazana amin'ny zava-maoderina amin'ny alalan'ny dihy.